vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 22 octobre 2019

Carburant

0
Mahatratra 7 tapitrisa litatra ankehitriny ny tahiry ho an'ny Gasoil raha toa ka 1 tapitrisa litatra ho an'ny lasantsy. Ampy ho an'ny filan'ny mpanjifa ireo ambimbava ireo hoy ny fanazavan'ny Sekretera Jeneralin'ny GPM na Groupement Petrolier de Madagascar raha toa ka mirindra araky ny tokony ho izy ny fanjifana.

Eléction

0
Faritra 8 amin'ireo 22 misy eto Madagasikara no efa vita amin'ny antsakany sy andavany ny fanontana ny bileta toana hampiasaina mandritra ny fifidianana kaominaly ho avy izao. Manana hatramin'ny 12 Novambra izao ity ivon-toerana hamitanha ireo bileta tokana ireo.

MAHTP

0
Manoloana ny feo hahely fa hoe tsy nanara-dalàna ary tsy nampahafantarina ny vahoaka ny resaka Tana-Masoandro. Efa nipetraka tamin'ireo kaominina ireo affichage izay takian’ny lalàna. Nanara-dalàna tanteraka ny dingana nolalovana mikasika ny Tana-Masoandro, na izany ny fampahafantarana ny vahoaka tamin’ny alalan’ireo peta-drindrina mikasika ny fanadihadiana commodo-incommodo na ny didim-panjakana manambara ny maha"utilité publique" ilay asa fanamboarana ka afahafahana miroso amin'ny expropriation.

Victim Sourcin

0
Olona an-jatony no milaza ho lasibatra noho ny fikorontanana misy ao amin'ny agence iray mikarakara fivoahana miaraka mankany ivelany na Voyage organisé araky ny fitarainana nataon'izy ireo. Vola an-tapitrisa maro no efa lasan'ilay agence. Hatreto, mbola tsy naharaisana fanazavana ny avy eo anivon'ity agence voaresaka ity.