Archives quotidiennes: 23 octobre 2019

Famatsiana solika : tsy misy hatahorana raha ny fanazavana

0
Nananamafy ny minisitra tompon'andrikitra nandritra ny valandresaka nifanaovana tamin'ny mpanao gazety androany fa ampy ary tsy misy atahorana ny famatsiana solika eto amintsika. Hisy ihany koa ny fepetra horaisina ho an'ireo izay minia manely tsaho sy mitarika fanakorontanana.

Tekikasa Tana-Masoandro : misokatra ho amin’ny fifampiresahana ny fitondrana

0
Misokatra ho amin'ny fifampiresahana amin'ny vahoaka voakasiky ny fananganana ny tetikasa Tana-Masoandro ny fitondram-panjakana. Nidina teny ifotony nihaino ny feon'ireo vahoaka ireo delegasiona maro samihafa, ho entina mametraka marimaritra iraisana.

Famatsiana solika : mbola nisy ny filaharana eny amin’ny mpaninjara

0
Mbola nahitana filaharana vitsivitsy ny toby mpamatsy solika tamin'ity androany ity raha ny zava-nisy teto andrenivohitra. Ny fahamaroan'ny olona manjifa nohon'ny fahatahorana ny amin'ny tsy fisian'ny lasantsy no antony tsy nampaharaka ny lasantsy tato anatin'ny roa andro izay.

Tetikasa « Rue de Tanà » : tsy hisy lavadavaka intsony eto Antananarivo renivohitra

0
Isan'ny tanjona lehibe ao anatin'ny tetikasa "Rue de Tanà ny hanafoana ireo lavadavaka ary tsy hisy lalana ratsy intsony. Mitohy ny asa amin'izao raha nanomboka ny volana Jolay lasa teo. Ndeha harahintsika ato anatin'ity fanadihadiana manaraka ity ireo Lot miisa 5 voakasik'izany.