Accueil 2019 octobre

Archives mensuelles: octobre 2019

Tana-Masoandro : tetikasa takian’ny fampandrosoana

0
Tetikasa isan'ny takian'ny fampandrosoana an'i Madagasikara ny tetikasa tanà Masoandro hoy ny fanehoan-kevitry ny vondrona maro an'isa eny anivon'ny antenimierampirenena. Ny marimaritra iraisana ahafahana miroso amin'izany no tokony imasoan'ny tsirairay hoy hatrany ny fanazavana.

Fitrandrahana harena ankibon’ny tany : tsy ampy ny fahafantarana ny lalàna

0
Tsy ampy ny fahafantaran'ny mpianatra ireo sehatr'asa azon'izy ireo hidirana aorian'ny fianarana. Antony nanomezana ireo mpianatra fiofanana hahafahana mahafantatra bebe kokoa ny tontolon'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany teny Ivato. Ankoatry ny fampahafantarana ny ireo sehatr'asa rehetra nisy ihany koa ny fampahafantarana ny lalàna.

« IPAM » : ilaina amin’ny fampivoarana an’Antananarivo sy ny manodidina

0
Maherin’ny 30 amin’ireo kaominina 38 eto Antananarivo sy ny manodidina hatreto no naneho ny fahavononana amin’ny fidirana amin’ny IPAM na ny tetikasa fananganana ny ivom-panajariana ny tananan’Antananarivo sy ny manodidina. Raha toa ka zava-dehibe sy vahaolana ho an’Antananarivo Renivohitra ity tetikasa ity, tsy mbola niditra tamin’izany ny Ben’ny tanànan’Antananarivo.

Tetezana ao Antetezambaro : vita io hariva io ny hitsin-dala

0
Nanomboka omaly ny fanamboarana ny tetezana ao Antetezambaro izay amin’ny lalampirenena faha-5. Efa eny an-toerana avokoa ireo singan’ny « Pont Mabey » hanoloana ilay tetezana simba. Etsy ankilany, vita io hariva io ny hitsin-dalana vonjimaika handehanan’ny fiara, hahafahan’ny fifamoivoizana miverina amin’ny laoniny.

Forum Socio-économique national : ilaina ny fijerena loharanom-bola hafa

0
Manodidina ny ampaha-3 amin’ny famatsiam-bola ilain’ny firenena ihany no azon’i Madagasikara isan-taona nandritra ny taona maro. Ilaina ny fijerena loharanom-bola hafa na avy ato anatiny na avy any ivelany, ahafahana mampandroso ny firenena, araky ny nivoitra androany nandritry ny andro voalohan’ny Forum Socio-économique national, totonsaina eny amin’ny oniversite an’Antananarivo.

« Iles Eparses » : nanamafy ny filoha frantsay fa an’i Frantsa ireo nosy miisa 5

0
Nilaza ny filoha frantsay Emmanuel Macron omaly, nandritra ny fitsidihany ny Nosy Glorieuses fa ho sokajiana ho "Parc National" -ny Frantsa io Nosy io. Fanambarana izay nanaitra ny be sy ny maro noho ny "Iles Eparses" izay mbola takian'ny Malagasy hatramin'izao.

« Sommet Russo – Afrique » : ho fanamafisana ny fifandraisan’i Rosia amin’ny firenena afrikanina

0
Isan'ny mandray anjara amin'ny fihaonana an-tapony Russo-Afrique any Russie ny filohan'ny repoblikan'i Madagasikara, Andry RAJOELINA amin'izao fotoana. Nanamarika ny andro voalohany omaly ny fisian'ny Forum économique izay nandraisan'i Madagasikara anjara. Nihaona tamin'ireo mpandraharaha ara-toekarena sy ireo lehiben'ny orinasa maro ny filoha Andry RAJOELINA.

« Iles Eparses » : hajoro alohan’ny 18 Novambra izao ny Vaomiera iombonana

0
Taorian'ny fanambarana nataon'ny filoha frantsay Emmanuel Macron tao amin'ny Nosy Glorieuses, naneho ny heviny ny hariva teo ny filohan'ny repoblikan'i Madagasikara ary nilaza fa vonona ary matoky fa hiaro ny hambopom-pirenena. Hajoro alohan'ny 18 Novambra izao ny Vaomiera iombonana momba ireo nosy Eparses ireo, hoy hatrany ny filoha.

Tana Masoandro : mitohy ny fifampiresahana amin’ny vahoaka

0
Mitohy ny fifampiresahana amin’ny vahoaka mikasika ny tetikasa Tana Masoandro. Androany, nidina teny amin’ny kaominina Ankadimanga Ambohidrapeto ny mpanolotsaina manokan’ny Filohan’ny Repoblika momba ny tetikasa Tana Masoandro, niaraka tamin’ny solonten’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta sasantsasany. Nihaino sy nandray ireo hetahetan’ny mponina izy ireo.

Fafah Mahaleo : notoloran’ny fitondram-panjakana mari-boninahitra

0
Notoloran'ny fitondram-panjakana mari-boninahitra grand officier de l'ordre national i Rajaonarison Famantanantsoa na Fafa Mahaleo androany nandritra ny fanaovam-beloma farany azy tetsy amin'ny lapan'ny fanatanjahantena Mahamasina. Vahoaka maro no tonga teny an-toerana notronin'ireo olo manankaja maro.