vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 1 novembre 2019

Akademia Malagasy : nisokatra androany ny taom-piasana 2019 – 2020

0
Ny fanamafisana ny fikarohana momba ny teny sy fikarohana siantifika amin’ny ankapobeny no asa laharampahamehana ho an’ny Akademia malagasy amin’ny taom-piasana 2019 -2020 ity. Namporisika ny Akademisiana hiroso lalina amin’izany ny praiminisitra izay nanamafy ny mahazavadehibe ny fikarohana eo amin’ny lafiny fampandrosoana.

Ambilobe – Vohémar : mitohy ny asa fanamboaran-dalana

0
Nidina ifotony nijery ny asa fanamboaran-dalana mampitohy an'Ambilobe -Vohémar sy Ambilobe - Antsiranana, RN 6 ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny Asa Vaventy. Mitohy ny asa fa tsy araka ny feo mandeha etsy sy eroa ary tsy maintsy ho vitaina araka ny tokony ho izy.

Filoha RAJOELINA Andry : nitsidika ny fonjan’Antanimora

0
Nitsidika ny fonjan’Antanimora androany ny Filoha RAJOELINA Andry. Sambany teo amin’ny tantaran’i Madagasikara no nisy Filohampirenena nitsidika ny fonjan’Antanimora. Fihetsika izay manaporofo ny fanajàna ny zon’olombelona eto Madagasikara. Nisy ny fanomezana famotsoran-keloka gadra miisa 6 androany nataon’ny Filohampirenena.

Fanatsarana ny RN2 : mitohy ny asa

0
Mizotra araky ny tokony ho izy amin’izao fotoana izao ny fanavaozana ny lalampirenena faharoa, mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Manodidina ny 3 volana ny faharetan’ny asa raha ny fanazavana.