mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 4 novembre 2019

EDITO du 02 novembre 2019

0
Fotoan’ny fanovàna tokoa izao. Fotoanan’ny fanarenana ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-bahoaka amin’ny lafiny maro. Iàlana ary tsy ekena intsony ny fitantanana tsy mahomby, ny fanjakana tsy tan-dalàna, ny fisian’ny tsimatimanota, ny fanaovana kolikoly amin’ny endriny rehetra, ny fanaovana kiantranoantrano amin’ny fitantanana ny firenena, ny firaisana tsikombakomba amin’ny asam-panjakana, ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Firenana vaovao mendrika ny vanim-potoana ankehitriny no tiana hajoro.

Fitombon’ny harikarena faobe : azo tratrarina ny tanjona amin’ny taona 2020

0
Azo hatsaraina ny tahan’ny harikarena faobe eto Madagasikara hanatrarana ny tanjona 5,4 % amin’ny taona ho avy, hoy ny manampahaizana momba ny antontan’isa nanaovana fanadihadiana. Ankoatran’ny fampanarahan-dalàna ny seha-pamokarana eny ifotony, isany hampiakatra izany ny fahavitan’ny fotodrafitrasa maro indrindra ny lalana izay hanatsara ny famoaham-bokatra.

« Iles Eparses » : manamarina ny tantara fa an’i Madagasikara ireo Nosy ireo

0
anamarina ny maha an’i Madagasikara ny « Iles Eparses »  ny tantara. Ireo Nosy aty amin’ny Ranomasimbe Indiana ireo izay miala 10 000km an’i Frantsa. Nosy izay efa namoahan ‘ny  firenena mikambana fanapahan-kevitra ny taona 1979 ny hamerenan’i Frantsa azy ireo ho an’i Madagasikara. 40 taona aty aorian’io fanapahan-kevitra navoakan’ny firenena mikambana io, mbola tsy nampiarin’i Frantsa izany fanapahan-kevitra izany.

Guichet unique Tana-Masoandro : efa maherin’ny 300 ireo tompon-tany nangata-panazavana

0
Mizotra am-pilaminana ny fifampiresahana eo amin’ireo tompontany sy ny tomponandraikitry ny Guichet unique Tanamasoandro etsy Andohatapenaka. Tompona parcelle manodidina ny 300 eny Ambohitrimanjakana hatreto no efa tonga nangata-panazavana .