Archives quotidiennes: 9 novembre 2019

Olan’ny Air Austral : tsy misy fiantraikany amin’i Air Madagascar

0
Nogiazan’ny mpanao fanadihadiana eo anivon’ny autorité de la concurrence ny Air Austral. Antony raha ny fantatra ny fiafaran’ny fifamoivoizan’ny Corsair eto Madagasikara sy any amin’ny Nosy La Réunion. Raha ny fanazavana azo androany teo anivon’ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar sy ny minisitry ny fitaterana sy ny fizahantany, tsy atahorana hisy fiantraikany amin’i Air Madagascar izany.

Guichet unique Tana Masoandro : maherin’ny 700 ireo tompon-tany nangata-panazavana hatreto

0
Maheri'ny 700 ireo tonga nanantona ny birao fakan-kevitra momba ny Tana Masoandro etsy amin'ny Village Voara Andohatapenaka hatramin'izao. Maherin'ny 80, amin'ireo ireo tonga teny an-toerana no nanantontosa fanomezan-toky hamarotra ny taniny. Mitohy kosa ny fisokafan'ity birao momba ny Tanà Masoandro ity.

Fametrahana ny fandriampahalemana : nitondra fanampiana ny firenena mikambana

0
Hanolotra vola mitentina 7,5 tapitrisa dolara ho an’ny fitondram-panjakana Malagasy ny firenena mikambana entina hanatsarana ny lafiny fandriampahalemana manerana ny Nosy, izay no nivoitra nandritra ny fihaonana teo amin’ny roa tonta teny amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy androany maraina.

Faritany Miaramila Voalohany – RM 1 : mitohy ny fisafoana amin’ireo faritra mafana

0
Mitohy ny fisafoana ataon’ny tafika malagasy amin’ireo faritra mafana amin’ny asan-jiolahy eto Antananarivo renivohitra. Faritra 7 ahitana miaramila mpanao fisafoana na Patouille Militaire no nanaovan’ny lehiben’ny fibaikona ny RM 1 fidinana tampoka alina.