Archives quotidiennes: 11 novembre 2019

Famongorana halatr’omby any Mitsinjo : miditra an-tsehatra ireo vahoaka

0
Miditra an-tsehatra manoloana ny ady atao amin’ny tsy fandriampahalemana indrindra fa ny ady amin'ny halatr'omby any amin’ny Distrikan’i Mitsinjo ireo vahoaka sy ny tompon'andraikitra eny anivon'ny fokontany amin'izao fotoana izao. Omby 10 mahery no tafaverina amin’ny tompony ary jiolahy 2 no voasambotra tany an-toerana.

RAZANADRAINIBE Marie : 93 taona, salama tsara ary mamelona ny zanany telo

0
Isan’ireo malagasy, salama tsara amin’izao faha-93 taonany izay i Bebe Marie. Izy no mikarakara sy mamelona ireo zanany telo izay tsy salama ary manao ny asa rehetra ao an-tokantrano. Ny momban’i Bebe Marie sy ny lalam-piainana no hotanterin’i Ony Nasaina eo amin’ny sarin’i Andry Nantenaina amin’ity fanadihadiana ity.

Morondava : hatomboka ny fanorenana Oniversite sy CEG manara-penitra

0
Hatomboka ny fanorenana Oniversite sy CEG manara-penitra ao Morondava, hamboarina ny orinasa SUCOMA sy i DABARAHA, io no nisongadina nandritra ny fitsidihana nataon'ny filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ireo delegasiona niaraka taminy tany an-toerana. Nisy ihany koa ny fizarana Kit Scolaire ho an'ny EPP sy ny CEG ary ny fitsidihana isan-karazany.