vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 12 novembre 2019

HCJ : raharaha mahakasika minisitra teo aloha miisa 3 no efa any

0
Antontan-taratasy mahavoarohirohy minisitra teo aloha miisa 3 no fantatra ankehitriny fa efa eny ampelan-tanan’ny HCJ na ny Haute Cour de Justice raha ny loharanom-baovao voaray. Ireo mpikambana roa avy amin’ny Antenimierampirenena sisa no andrasana amin’ity herinandro ity dia feno tanteraka ny mpikambana ao amin’ny HCJ, ka afaka miasa avy hatrany ity Fitsarana ity.

Fahatapahan-jiro eto Antananarivo : nandray fepetra ny mpitantana ny orinasa Jirama

0
Manoloana ny fahatapahan’ny herinaratra niverimberina sy naharitra or amaro teto Antananarivo sy ny manodidina, nitondra fanazavana ny tomponandraikitra eo anivon’ny orinasa Jirana. Hisy ny fepetra horaisin’ny mpitantana hamahana ny olana ato anatin’ny foy ezaka.

Fahatapahan-jiro matetika : an-dalana ny famahana izany

0
Vola mitentina 1,6 miliara Ariary . Izay no entina hanarenana ny olan’ny fotodrafitrasa amin’ny ankapobeny eo anivon’ny JIRAMA ao anatin’ny fotoana fohy. An-dalana ny famahana ny olan’ny delestazy. Androany, nidina ifotony nijery ny zava-misy teny amin’ny centrale Ambohimanambola ny minisitra mpisolo toerana tomponandraikitra.

Katedraly Maria Manjaka – Morondava : ho vatsiana fanamafisam-peo sy lakolosy

0
Nanotrona ny lamesa lehibe ho fanitarana ny Katedraly Maria Manjaka Namahora ao Morondava ny filohan'ny repoblikan'i Madagasikara, nandritra ny andro faharoa nitsidihany tany an-toerana omaly. Nampanantena ny filoha fa hanome Lakolosy ho an'ny Katedraly vaovao. Nisy ihany koa ny fanomezany rakibolana 6 hetsy hanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana.