Archives quotidiennes: 13 novembre 2019

Fifidianana kaominaly : efa vita printy avokoa ireo biletà tokana

0
Faritra 21 no efa vita tanteraka ny fanontana ny bileta tokana ampiasaina mandritra ny fifidianana kaominaly ny 27 Novambra izao, rahampitso kosa no ho tonga eo ampelatanan'ny CENI ny bileta tokana ho an'ny faritra Analamanga izay efa eo andalam-pahavitana androany, tomombana ny fikarakaaraka rehetra raha ny fanazavan'ny filoha lefitry ny CENI androany.

Famahana ny olan’ny famatsiana rano : nisy ny fepetra noraisina

0
Manoloana ny fahatapahan'ny rano lavareny eny amin'ny faritra avo eto Andrenivohitra, nisy ny fepetra vonjimaika noraisina manoloana izany ho entina hamahana ny olan'ny mpanjifa. Aorian'zany hiroso amin'ny fanatsarana ny orinasa jirama.

« Teny ierana, hanompo vahoaka » : nosoniavina androany teny Ambatonankanga

0
Tontosa tamin’ity androany ity ny fanaovan’ireo kandidà ben’ny tanàna sy mpanolontsaina ny sonia ho fanajana ny « Teny ierana, hanompo vahoaka », hitandroana ny filaminana mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana. Kandidà ben’ny tanàna 3 amin’ireo 4 no nanao sonia izay ho an’Antananarivo renivohitra.

Guichet unique Tana-Masoandro : 979 hatreto ny tompon-tany tonga nangata-panazavana

0
979 ny tompon-tany eny Ambohitrimanjakana sy ny manodidina nanantona ny birao fakan-kevitra momba ny Tanà-Masoandro etsy amin'ny Village Voara Andohatapenaka hatreto. Taorian’ny fanamarinana natao, parcelles 93 no fantatra fa tafiditra anatin’ny 100 hektara voalohany hanombohana ny Tanà -Masoandro.