vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 18 novembre 2019

Barea de Madagascar : nandresy tamin’ny isa 1 noho 0

0
Nibata fandreseana nanoloana ny ekipan'i Éthiopie tamin'ny isa 1 noho 0 ny Barea de Madagascar nandritra ny lalao tetsy amin'ny kianjaben'i Mahamasina androany. Tonga maro ny mpakafy baolina kitra notronin'ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara RAJOELINA Andry, nilamina ny fikarakarana. Notoloran'ny fitondram-panjakana fahatsiarovana manokana i Faneva Ima androany.

Edito du 16 nov

0
Fiaraha-mientana, firaisam-po, firaisankina ireo no takiana amin’ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka amin’izao vanim-potoana lalovan’ny firenena izao. Ny mitabe tsy lanin’ny mamba, ny akanga maro tsy vakin’amboa, ny tondro tokana tsy mahazo hao. Ohabolana maneho ny fahendren’ny Malagasy fahiny izany, fa tsy hiteraka tombotsoa velively eo anivon’ny fiaraha-monina ny fitsitokotokoana. Ekena, tsy voatery hitovy avokoa ny hevitra fa rehefa hambom-pom-pirenena sy fitiavan-tanindrazana no kitihina, mila mijoro isika Malagasy fa iray tsy azo vakiana na zarazaraina.

RN 2 sy RN 5 : miroso ny asa ary tsy maintsy ho vitaina ao anatin’ny fotoana voatondro

0
Miroso ny asa fanatsarana ny lalam-pirenena faha-2 sy ny lalam-pirenena faha -5 ary tsy maintsy ho vitaina ao anatin'ny fotoana voatondro. Efa vita hatrany amin'ny 95 % ny Bétonnage ho an'ny lalam-pirenena faha -5 eo amin'ny PK 2 +300 hatrany amin'ny PK 21 + 100.

Sarobaratra Ifanja Itasy : natomboka ny taom-pambolem -bary 2019-2020

0
Nomarihana androany tany amin'ny Kaominina Sarobaratra Ifanja Faritra Itasy ny fanombohan'ny taom-pambolena 2019- 2020. Nambaran'ny Filohan'ny Repoblika Rajoelina Andry nandritra izany fa tsy maintsy ho tratra ny fahivatan-tena ara-bary amin'ny taona 2020 eto Madagasikara.