Archives quotidiennes: 19 novembre 2019

RN44 sy RN12A : nisitraka 140 tapitrisa dolara i Madagasikara

0
Vola mitentina 140 tapitrisa dolara no nankatoavin’ny Banky iraisam-pirenena androany, entina hanavaozana ny RN44 sy ny RN12A. Notontosaina androany ny fanaovan-tsonia amin’izany. Etsy ankilany, nanamafy ny minisitry ny Fanajariana ny tany , ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy fa mizotra araky ny tokony ho izy ny fanamboarana ity lalampirenena faha-44 sy ireo izay tontosana ankehitriny. Misy ny dingana arahana amin’ny fanamboarana atao.

18 Novambra 1896 : nomena ny Kaomandin’ny faritany Miaramila Voalohany ny tany eo Analakely

0
18 Novambra 1896 - 18 Novambra 2019, feno 123 taona androany ny nanomezana ny tanim-panjakana eo Analakely ho an'ny Kaomandin'ny Faritany Miaramila Voalohany. Didimpanjakana izay nivoaka tamin'io andro io ka ny Jeneraly Gallieni no nanasonia izany. Ndeha harahintsika ato anatin'ity fanadihadiana ity ny andinindininy mahakasika izay.

Filohan’ny Repoblika : namaha ny olan’ny famatsian-drano sy ny herinaratra tao Antsiranana

0
Nitondra vahaolana manoloana ny olan’ny famokarana herinatra sy ny famatsiandrano tao Antsiranana ny filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA nandritra ny fitsidihany tany antoerana omaly. Nambarany tamin’izany fa hatomboka ny fanamboarana Station de pompage. Nampahafantarin’ny filohan’ny Repoblika ihany koa ny PLAQUES SOLAIRES, izay haparitaka amin’ny sarany mirary manerana ireo fokontany any antoerana.

Taom-piotazana litchis 2019 : nisokatra omaly alina

0
Tsara ny vokatra fa saingy nihena ambany dia ambany ny vidiny hakan'ireo exportateurs ao Toamasina ny vokatra litchis ho an'ity taona 2019 ity, 1 200 Ariary ny iray kilao amin'izao fotoana izao raha toa ka haharitra roa herin'andro eo ho eo ny Taom-piotazana.