samedi 14 décembre 2019

Archives quotidiennes: 20 novembre 2019

video

Madagasikara maitso : nanolotra 50 Tapitrisa Ariary ny Masoivoho Sinoa

Nanolotra 50 Tapitrisa Ariary ho fanampiana ny fananganana Pepinière eny amin'ny Kianjan'ny Soamandrakizay ny Masoivoho Sinoa, monina sy miasa eto Madagasikara. Tolo-tanana amin'ny fitondram-panjakana hahatratra ny tanjona amin'ny fambolen-kazo ary hahatonga an'i Madagasikara ho Nosy Maitso.
video

Ady amin’ny kolikoly : tonga manao tomban’ezaka eto Madagasikara ny CCUAC

Tonga eto Madagasikara manao tomban’ezaka ny dingana vitan’ny firenena amin’ny ady amin’ny kolikoly ny filankevitry ny vondrona Afrikana eo amin’izay ady amin’ny kolikoly izay. Azo itarafana ny toeran’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny kolikoly ny fahavitan’ny tomban’ezaka ka ahafahana misarika mpampiasa vola sy mpandraharaha maro.
video

Fandoavan-ketra – LFI 2020: misy fanovana maro

Misongadina anatin’ny tetibolam-panjakana 2020 ny mikasika ny fampitomboana ny fampidiran-ketra. Fanovana maro no hita anatin’izay, tahaky fampitomboana sy fampihenana ny hetra aloa.
video

Fitakiana ny Nosy Malagasy : mitaky ny fiaraha-mientan’ny rehetra

Taorian'ny ady hevitra izay naharitra ora maro teny andafiavaratra omaly, nangina ary tsy naharenesam-peo ny fiarahamonim-pirenena. Izy ireo, izay tokony hanana andraikitra mivantana amin'ny fanentanana ny olom-pirenena sy haneho hevitra mivantana amin'izany.