mercredi 17 avril 2024

Archives quotidiennes: 21 novembre 2019

Andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizy : teny amin’ny Antenimiera ireo solontenan’ny ankizy

0
Ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizy androany, nisy ny adi-hevitra nampitondraina ny lohanteny DEMOKR’ANKIZY teny amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza. Ankizy miisa 151 solontenan’ny ankizy Malagasy manerana ny Nosy no naneho ny heviny mahakasika loha-hevitra maro naka ny toeran’ireo Solombavmbahoaka.

Fangatahana fahazoan-dalana hanorina trano : mandalo dingana maro

0
Ny mikasika ireo dingana arahana ny amin’ny fangatahana « Permis de construire » na ny fahazoan-dalana hanorina trano no hisantarantsika ny pejin’ny «  Fantaro » ato anatin’ny fampalalam-baovao. Entina ato anatin’ny fanadihadiana ny mikasika ny antonta-taratasy ilaina, ny lalana hizoran’izany mialohan’ny fivoahan’ny fahazoan-dalana na tsia, ny lela-vola miasa anatin’izay. Araho ary ny mikasika izay.

RN1 : hisy lalana vaovao amin’ny alalàn’ny tetikasa « Lalana Be Mikodana »

0
Hisy lalana vaovao ho tontosaina amin’iny Lalampirenena voalohany, mampifandray an’ Andavamamba, Route-Digue, Andranonahoatra, Fenoarivo, Bretelle. Anatin’ny famolavolana ity tetikasa « Lalana Be Mikodana » ity ny eo anivon’ny MAHTP amin’izao fotoana izao. Hamaliana ny filan’ny mponina sy hitondrana vahaolana manoloana ny fitohanan’ny fifamoivoizana no tanjona amin’izany.

Fitakiana ny Nosy Malagasy : ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra

0
Fotoana iray ilana ny firaisankinan'ny Malagasy tsy vaky volo ankehitriny ny fitakiana ireo Nosy Malagasy. Tsy tokony hisy ny fifanenjehana fa ny fiaraha-mientan'ny rehetra no ilaina raha ny nambaran'ny teo anivon'ny CFM.

SECES : tsy afa-po tamin’ny fifampiresahana ireo mpikambana

0
Niroso tamin'ny fifampiresahana teo amin'ireo mpampianatra mivondrona eo anivon’ny SECES manerana ny Nosy ny ministera tompon'andraikitra omaly ariva, tsy afa-po tamin'ny fifampiresahana ny mpikambana SECES manerana ireo oniversitia eto Madagasikara. Mbola miato ny fampianarana.