mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 22 novembre 2019

Fifidianana kaominaly : nahazo famatsiam-bola

0
6 andro sisa higadona ny androm-pifidianana Ben'ny tanàna sy mpanolotsaina manerana an'i Madagasikara. Mioso ny fanomanana rehetra amin'izao fotoana izao, nahazo fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana Norvezianina entina hikarakarana ity fifidianana ity ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana amin'ny alalann'y tetik'asa SACEM.

Mpandrefy tany : 38 ireo nanao fianianana androany

0
Géomètre 38 no nanantontosa fianianana teny amin’ny Cours d’appel Anosy androany, rehefa avy nanaraka fiofanana sy fianarana nandritra ny 2 taona. Mandray avy hatrany ny asana géomètre expert izy ireo manomboka izao. Etsy ankilany, nitsodrano azy ireo ahavita ny asa hiandreketina ny teo anivon’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy androany.

Fandianiam-bola ho an’ny mpiasam-panjakana- LFI 2020: nahitana fitomboany 14,4%

0
Nisy fitomboana 14,4% ny tetibola natokana ho an’ny Fandianiam-bola ho an’ny mpiasam-panjakana raha oharina ny LFI 2019, araky ny voarakitra anatin’ny tetibolam-panjakana 2020. Isany anton’io ny fitombon’ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny fitomboan’ny isan’ireo ho ampidirina mpiasam-panjakana.

Maroantsetra : efa milamina ny toe-draharaha

0
Nisehoana korontana tany Maroantsetra nohon'ny fahatapahan'ny herinaratra nandritra lalao nihaonan'ny Barea de Madagascar sy Niger. Nisy nandoro noho izany ny ampahan'ny biraon'ny jirama tany an-toerana. Efa niverina amin'ny laonina ny herinaratra any an-toerana, toy izany koa ny filaminana.