Archives quotidiennes: 26 novembre 2019

Fitakiana ireo Nosy Malagasy : amin’ny faha-9/10/11 desambra ho avy izao ny fihaonambem-pirenena

0
Taorian’ny fihaonana voalohany teo amin’ny solontena Malagasy sy Frantsay ny amin’ny hamerenana ireo Nosy Malagasy aty amin’ny Ranomasimbe Indiana iny dia ho tontosaina amin’ny faha-9, faha-10 ary faha-11 desambra ho avy izao ny fihaonambem-pirenena hakana ny hevitry ny Malagasy amin’ny hamerenana ireo Nosy ireo ho an’i Madagasikara.

Lycée RABEARIVELO : notokanana ny efitrano fianarana vaovao

0
Notokanana androany ny efitrano fianarana vaovao natolotry ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena, ny fampianarana teknika ary ny fampiofanana arak'asa ho an'ny Lycée JJ Rabearivelo. Fanorenana fotodrafitrasa izay tafiditra ao anatin'ny Politikan'ny mpitondra fanjakana ankehitriny amin'ny alalàn'ny ministera tomponandraikitra.

Lalana « HYDROCARBURES » : notokanana androany

0
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy androany ny lalana HYDROCARBURES. Lalana izay miala eo Antanimena ny ampahany, mandalo amin’iny Alarobia iny ary mivoaka any Tsarasaotra. Fiarahamiasa 3P na Partenariat Public Privée no nanantontosana ny asa, ary vola mitentina manodidina ny 10 miliara ariary no nanantanterahana ny fanamboarana.

Filoha Andry RAJOELINA : manome lanja ny tanora sy ny fanatanjahantena

0
Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy omaly ny kianja manara-penitra Barikadimy Toamasina, lalao baolna kitra no nisantarana izany izay natrehin'ny filohan'ny repoblikan'i Madagasikara Rajoelina Andry. Nitsidika ny EPP Manara-penitra sy ny tanin-janakazo tany an-toerana ihany koa izy. Androany, noraisin'ny filohampirenena tetsy amin'ny lapam-panjakana Iavoloha ny filohan'ny FIFA sy ireo mpiara-dia taminy ary ny filohan'ny CAF.