vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 27 novembre 2019

Fifidianana kaominaly : efa tomombana avokoa

0
Efa tomombana avokoa ny fanomanana ny fifidianana kaominaly izay hotanterahina ho an'ny androan'ny rahampitso. Efa voaparitaka avokoa ireo fitaovana rehetra ilaina manerana ny nosy, ny fizotry ny fandatsaham-bato sy ireo tsara ho fantatra ho an'ny andron'ny rahampitso no entina aminao ao anatin'ity fanadihadiana ity.

Fanafihana fiarabe teny Iavoloha : voasambotra ireo olon-dratsy

0
Miaramila amperin'asa miisa telo ary zandary efa voaroaka iray no isan'ireo atidoha nikotrika ny fanafihana ny fiarabe iray nitondra sigara teny Iavoloha ny 20 Novembre lasa teo, efa voasambotry ny mpitandro filaminana misahana ny ny heloka bevava na ny Section des Recherches Criminelles izy ireo ary natolotra ny fampanovana androany.

Fikajiana ny lalana : samy tomponandraikitra ny rehetra

0
Mihamaro ny fanasana fiara eny amin’ny Arabe eto an-dRenivohitra. Ity farany izay isany manimba anatin’ny fotoana fohy ny lalana, ary voararan’ny lalàna ihany koa. Samy tomponandraikitra amin’ny fikajiana ny lalana ny olompirenena rehetra. Manentana manoloana io ny eo anivon’ny MAHTP ny handraisan’ny rehetra andraikitra ny amin’izany sy hitandrovana ny fananam-bahoaka.

Andry RAJOELINA : fotodrafitrasa mitsinjo lavitra ny fivoaran’ny mponina no hantsangana

0
Fotodrafitrasa mendrika ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Fotodrafitrasa mifanaraka amin’ny fivoaran’ny mponina sy ny tanan-dehibe. Izay no azo amintinana ny fotodrafitrasa hatsangan’ny filohan’ny repoblika eto Madagasikara, araka ny nambarany nandritra ny fandaharahana manokana omaly.