samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 29 novembre 2019

Kaominina Anosizato Andrefana : kandidà 3 manohitra ny voka-pifidianana

0
Tsy azo ekena ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina tao amin’ny kaominina Anosizato Andrefana hoy ireo kandidà 3 nirotsaka tao an-toerana androany. Maro ny hosoka sy ny halabato tsikaritra, raha ny fitarainana azo.

Fitarainana fifidianana Kaominaly : ny fitsarana miady amin’ny fanjakana no mandray izany

0
Ny fitsarana miady amin'ny fanjakana no mandray ny fitoriana mahakasika ny tsy fanarahan-dalàna na ihany koa fandikan-dalà,na rehetra manoloana ny fifidianana kaominaly, sokajin'olona maro samihafa no afaka mametraka fitoriana araka ny voalazan'ny lalàna.

Fikirakirana voka-pifidianana : tsy mitovy tamin’ny fifidianana teo aloha

0
Tsy mitovy tamin’ny fifidianana efa nisy teo aloha ny fikirakirana ny voka-pifidianana amin’ity fifidianana ben’ny tanàna ito raha ny nambaran'ny filoha lefitry ny CENI androany, ny eto anivon'ny faritra analamanga ihany no kirakiraina etsy amin'ny foibe etsy Alarobia fa ny ankoatra ireo samy mikirakira ny vokatra avokoa ny eo anivon'ny faritany hafa manerana ny Nosy.

SRMV : nanomboka androany ny fikirakirana ny vokatra

0
Ho voahaja ny 5 andro hikirakiran’ny SRMV ny antotam-baovao mikasika ny voka-pifidianana. Androany, saika efa tonga teny an-toerana avokoa ny PV raha ny fanadihadiana natao ho an’Antananarivo sy ny manodidina. Etsy ankilany, fepetra maro no tontosaina mialohan’ny handefasana izany eny amin’ny CENI .