vendredi 19 avril 2024
Accueil 2019 novembre

Archives mensuelles: novembre 2019

Lalana « HYDROCARBURES » : notokanana androany

0
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy androany ny lalana HYDROCARBURES. Lalana izay miala eo Antanimena ny ampahany, mandalo amin’iny Alarobia iny ary mivoaka any Tsarasaotra. Fiarahamiasa 3P na Partenariat Public Privée no nanantontosana ny asa, ary vola mitentina manodidina ny 10 miliara ariary no nanantanterahana ny fanamboarana.

Filoha Andry RAJOELINA : manome lanja ny tanora sy ny fanatanjahantena

0
Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy omaly ny kianja manara-penitra Barikadimy Toamasina, lalao baolna kitra no nisantarana izany izay natrehin'ny filohan'ny repoblikan'i Madagasikara Rajoelina Andry. Nitsidika ny EPP Manara-penitra sy ny tanin-janakazo tany an-toerana ihany koa izy. Androany, noraisin'ny filohampirenena tetsy amin'ny lapam-panjakana Iavoloha ny filohan'ny FIFA sy ireo mpiara-dia taminy ary ny filohan'ny CAF.

Filohan’ny Fifa : hihaona amin’ny Filohampirenena Malagasy rahampitso eny Iavoloha

0
Ho tonga eto Madagasikara ary hihaona amin’ny filohampirenena Andry Rajoelina eny amin’ny lapam-panjakan Iavoloha rahampitso ny filohan’ny Fifa. Isan’ny horesahan’ny roa tonta ny fanatsarana ireo foto-drafitr’asa eto Madagasikara, hivoaran’ny fanatanjahantena Malagasy.

Fanadiovana lakan-drano : tsy hita ny andraikitra raisin’ny Kaominina sy ny Fokontany

0
Mivangongo ny fako ary manentsina ny lakan-drano eto Antananarivo. Toa ny tranga ao amin’ny Fokontany Anatihazo Isotry, am-bolana maro tsy nandray ny andraikiny ny kaominina sy ny fokontany, maimbo ny tanàna hoy ireo mponina, mihanaka ny aretina.

Tetezan’i Mangoky : nambaran’ny HCC fa mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana

0
Navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ao amin’ny tranokalany omaly fa mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenena ny fifanarahana famatsiam-bola ny fanamboarana ny tetezan’i Mangoky eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny BADEA na ny Banque Arabe pour le Développement Economique en Afrique.

Edito du 23 Novembre

0
Telo andro sisa dia hifidy ireo ho Ben'ny Tanàna sy izay ho mpanolontsain'ny Tanàna ny olompirenena feno 18 taona voasoratra ao anaty lisi-pifidianana. Fifidianana izay ambara foana fa fifidianana tena manakaiky vahoaka satria fifidianana ifotony. Noho izany, zava-dehibe ny fandehanana mifidy izay olona hita sy tsapa fa afaka hitondra fanovàna sy fampandrosoana marina ny Kaominina, fa ampy izay ny fisiana Ben'ny Tanàna manilika andraikitra amin'ny hafa rehefa tsy mahavita azy.

Lalampirenena faha-44 : manomboka ny asa fanamboarana

0
Manomboka ny asa danamboarana ny lalampirenena faha-44 araka ny efa nampanantenain’ny filohampirenena. Tonga any an-toerana ny orinasa anao ny lalana ary efa miditra amin’ny dingana voalohany.

Parlemantera Frantsay : hitohy ny fiaraha-miasan’ny fanjakana malagasy ny sy AFD

0
Afa-po ny mpiara-miombon’antoka amin’ny fomba fitantanana sy faranaha-maso ireo famatsiam-bola eto amintsika. Androany, nidina ifotony teto Antananarivo ireo parlemantera frantsay nijery ny asa vita tamin’ny fampiasam-bola nataon’ny AFD teto Madagasikara.

23 novambra 1903 : nisy didim-pitondrana roa samihafa navoaka

0
Mahakasika ireo hetra tsy maintsy naloan’ny olona fahiny, izay mbola tsy manambady ary tsy manan-janaka feno 16 taona, na lahy na vavy nofoanana t@ nitantanan’i Galliéni any Madagasikara tamin’ny didim-pitondrana navoakany ny faha-23 novambra 1903 no resahina aminao voalohany, ato anatin’ny zana-pandaharana NY LASA eto amin’ny fampahalalam-baovaon’ny KOLO TV. Ny didim-panjakana nametraka ny hetra tokony haloan’ireo olona miompy alika teto Antananarivo, navoaka ny andron’io faha-23 novambra 1903 io no fampatsiahivana ny LASA faharoa.

«Bazar de Noël» : tontosa androany ny andiany faha-56

0
Tontosa androany tetsy Anosy ny andiany faha-56 amin'ny hetsika «Bazar de Noël» izay karakarian'ny WMG na ny Wednesday Morning Groupe. Hanampiana ny mpiara-belona amin'ny fanaovana asa soa ny vola azo mandritra ity hetsika ity, nandray anjara nandritra ny hetsika ny VMM na ny Vehivavy Malagasy Miara-Miainga amin'ny maha fikambanana mpanao asa soa azy.