vendredi 26 avril 2024
Accueil 2019 novembre

Archives mensuelles: novembre 2019

Ben’ny tanàna : manana anjara toerana lehibe

0
Miantoka ny fampandehanan-draharaha eo anivon'ny kaominina iandreketany ny ben'ny tanàna. Izy no fototra iray lehibe mampandeha ny fitantanana eo anivon'ny kaominina misy azy. Ny vinam-pampandrosoana izay entin'ny kandidà hitondrana ny tanàna no fototra iray lehibe ny amin'ny handatsahan'ny vahoaka vato ho azy.

Vokatra biolojika Malagasy : manomboka tazana any amin’ny tsena any ivelany

0
Sehatra iray efa miroborobo eto amintsika ny fambolena biolojika. Efa manomboka tazana eny amin’ny tsena iraisam-pirenena ihany koa ireo vokatra biolojika avy aty Madagasikara ankehitriny. Hisy ny hetsika hampahafantarana misy misy kokoa ny vokatra biolojika karakarain’ny minsiteran’ny fambolena, fiompiana ary ny jono ny faha-28 ka hatramin’ny faha-30 novambra ho avy izao etsy amin’ny Village Voara.

Politique Agricole Régionale (PAR) : tontosa omaly ny atrikasa

0
Tontosa omaly tetsy amin’ny hotely Panorama Andrainarivo ny atrikasa naharitra roa andro fo fanatanterahana ny PAR na ny Politique Agricole Régionale ho an’ireo firenena mpikambana ao amin’ny SADC. Tanjona tamin’ity atrikasa ity ny ahafahan’ny firenena mpikambana ao amin’ny SADC mifampizara traikefa amin’ny sehatry ny fambolena sy hahamatotra ny fifanakalozana ara-bokatra.

Fifidianana kaominaly : nahazo famatsiam-bola

0
6 andro sisa higadona ny androm-pifidianana Ben'ny tanàna sy mpanolotsaina manerana an'i Madagasikara. Mioso ny fanomanana rehetra amin'izao fotoana izao, nahazo fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana Norvezianina entina hikarakarana ity fifidianana ity ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana amin'ny alalann'y tetik'asa SACEM.

Mpandrefy tany : 38 ireo nanao fianianana androany

0
Géomètre 38 no nanantontosa fianianana teny amin’ny Cours d’appel Anosy androany, rehefa avy nanaraka fiofanana sy fianarana nandritra ny 2 taona. Mandray avy hatrany ny asana géomètre expert izy ireo manomboka izao. Etsy ankilany, nitsodrano azy ireo ahavita ny asa hiandreketina ny teo anivon’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy androany.

Fandianiam-bola ho an’ny mpiasam-panjakana- LFI 2020: nahitana fitomboany 14,4%

0
Nisy fitomboana 14,4% ny tetibola natokana ho an’ny Fandianiam-bola ho an’ny mpiasam-panjakana raha oharina ny LFI 2019, araky ny voarakitra anatin’ny tetibolam-panjakana 2020. Isany anton’io ny fitombon’ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny fitomboan’ny isan’ireo ho ampidirina mpiasam-panjakana.

Maroantsetra : efa milamina ny toe-draharaha

0
Nisehoana korontana tany Maroantsetra nohon'ny fahatapahan'ny herinaratra nandritra lalao nihaonan'ny Barea de Madagascar sy Niger. Nisy nandoro noho izany ny ampahan'ny biraon'ny jirama tany an-toerana. Efa niverina amin'ny laonina ny herinaratra any an-toerana, toy izany koa ny filaminana.

Andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizy : teny amin’ny Antenimiera ireo solontenan’ny ankizy

0
Ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizy androany, nisy ny adi-hevitra nampitondraina ny lohanteny DEMOKR’ANKIZY teny amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza. Ankizy miisa 151 solontenan’ny ankizy Malagasy manerana ny Nosy no naneho ny heviny mahakasika loha-hevitra maro naka ny toeran’ireo Solombavmbahoaka.

Fangatahana fahazoan-dalana hanorina trano : mandalo dingana maro

0
Ny mikasika ireo dingana arahana ny amin’ny fangatahana « Permis de construire » na ny fahazoan-dalana hanorina trano no hisantarantsika ny pejin’ny «  Fantaro » ato anatin’ny fampalalam-baovao. Entina ato anatin’ny fanadihadiana ny mikasika ny antonta-taratasy ilaina, ny lalana hizoran’izany mialohan’ny fivoahan’ny fahazoan-dalana na tsia, ny lela-vola miasa anatin’izay. Araho ary ny mikasika izay.

RN1 : hisy lalana vaovao amin’ny alalàn’ny tetikasa « Lalana Be Mikodana »

0
Hisy lalana vaovao ho tontosaina amin’iny Lalampirenena voalohany, mampifandray an’ Andavamamba, Route-Digue, Andranonahoatra, Fenoarivo, Bretelle. Anatin’ny famolavolana ity tetikasa « Lalana Be Mikodana » ity ny eo anivon’ny MAHTP amin’izao fotoana izao. Hamaliana ny filan’ny mponina sy hitondrana vahaolana manoloana ny fitohanan’ny fifamoivoizana no tanjona amin’izany.