Archives quotidiennes: 4 décembre 2019

Fiandrasana ny voka-pifidianana : tokony ho tony ny rehetra

0
Tokony samy hametraka ny fitoniana eny amin'ny firenena ny rehetra indrindra fa ireo kanidà nisotsaka ho fidiana nandritra ny fifidianana kaominaly lasa teo amin'ny fiandrasana ny voka-pifidianana ofisialy ary samy tokony hanara-dalàna avokoa ny rehetra raha ny fanehoan-kevitry ny solombavambahoaka.

Fitaterana : nahitam-bokany ny fametrahana GPS amin’ireo fiara mpitatitra

0
Nihena ny fandikan-dalàna ataon’ireo mpitatitra amin’ny zotra D mampitohy an’Ivato sy Vasakaosy vokatry ny tetik’asa fametrahana fitaovana fanaraha-maso ny fiara. Hisy ihany koa ireo zotra hafa hisitraka ity fitaovana ity.

Ceni : lisi-pifidianana iray no nampiasaina tamin’ny fifidianana roa farany teo

0
Namaly avy hatrany ny fangatahan’ny kandidà RANDRIAMASINORO Rina ny CENI. Nambaran’ny CENI fa lisi-pifidianana iray ihany no nampiasaina tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka farany teo. Ho an’ireo izay miahiahy, azon’izy ireo atao ny manamarina eny anivon’ny fokontany, ny Commission Electorale du District, ary eny anivon’ny CENI.

« Immunité Parlementaire » : manankery mandritra ny maha-solombavambahoaka ihany

0
Ao anatin'ny fotoana maha solombavambahoaka azy no manankery ny immunité Parlementaire, raha ny fanazavan'ny mpahay lalàna nanaovana fanadihadiana, tsy manankery kosa io raha nisy fandikan-dalàna nataony mialoha ny haha solombavambahoaka azy na aorian’izany.

« Permis Biométrique » : olana ara-teknina no nampitarazoka ny fanotana

0
Niverina amin’ny laoniny ny fanotana permis biometrique sy ny carte grise teo anivon’ny Centre Immatriculateur taorian’ny tsy fahatomombanana nnanomboka ny faha-18 novambra. Olana ara-teknika no nitarika ny fitarazohan’ny fanotana ,hoy CENTRE IMMATRICULATEUR Ambohidahy. Nanamafy izany ihany koa ny orinasa HEPHALU MADA misahana ny fanotana ny « Permis biometrique ».