Archives quotidiennes: 5 décembre 2019

BIANCO : nahazo famatsiam-bola avy amin’ny « Norvège » sy « Allemagne »

0
Nahazo famatsiam-bola 1 450 000 (5 alina sy 4 hetsy sy 1 tapitrisa) Euros avy amin’ny fanjakana Norveziana sy Alemà ny BIANCO androany. Hamongorana hatramin’ny farany ny kolikoly eto Madagasikara ny antony famatsiam-bola.

Fifamoivoizana – Anosibe : manjaka ny gaboraraka ka miteraka fitohanana

0
Manjaka ny gaboraraka amin’ny fifamoivoizana eny Anosibe, antony mahatonga ny fitohanan’ny fiara mandritra ny ora maro. Mivezivezy amin’ny ora rehetra ny fiara vaventy sy ny sarety, mitam-potsiny ny mpitandro filaminana.

Fangatahana tanim-panjakana : mandalo dingana maro

0
Ny mikasika ny dingana fangatahana ny tanim-panjakana indray no entina aminao ato anati’ny pejin’ny fantaro. Maro ny pitsopitsony harahana amin’ny fangatahana ny tanim-panjakana, ary ireo taratasy ilaina sy ireo lalana lalovana mialohan’ny hanatontosana ny Titre sy ny Bornage no entina aminao ato amin’ny fampalalam-baovao.

Fanorenana trano : tokony hanaraka ny fenitra

0
Tokony hanaraka ny fenitra avokoa ny fanorenana trano eto Madagasikara, ahafahana miatrika ny loza voajanahary. Nampahafantatra ireo teboka tokony harahana androany ny teo anivon’ny MAHTP.

Fangatahana fahafahana vonjimaika : tsy manana fahefana amin’izany ny Solombavambahoaka

0
Ny fangatahana fahafahana vonjimaika an'ireo namany any am-ponja no fangatahan'ny solombavambahoaka ankehitriny eo anivon’ny fitsarana. Ankilany tsy azon'ny solombavambahoaka atao ny mangataka fahafahana vonjiamika ho an'ny solombavambahoaka indrindra fa tsy mbola ao anatin'ny fananany « Immunité Parlementaire » no nanenjehana azy raha ny fanazavan'ny mpahay lalàna.