Archives quotidiennes: 6 décembre 2019

Fifidianana kaominaly : hivoaka ny herinandro ho avy izao ny vokatra vonjimaika

0
Efa maherin'ny 90%n'ny fikirakirana ny vokatra nandritra ny fifidianana kaominaly no tontosa ankehitriny manerana ny faritany 6 eto Madagasikara. Hivoaka ny herinandro izao ny vokatra vonjimaika avokan'ny CENI raha ny fanazavan'ny filoha lefitra androany. Ankilany, hifarana rahampitso hariva ny fangatahana fampitahana ny PV nandritra iny fifidianana iny.

« Dinika Nosy Malagasy » : ho tanterahina ny 09-10-11 Desambra ho avy izao

0
Ho tanterahina eny amin'ny CCI Ivato ny 09 hatramin'ny 11 Desamdra ho avy izao ny "Dinika Nosy Malagasy", araka ny tatitra navoaky ny filan-kevitry ny Minisitra omaly. Handray anjara amin'io dinika io avokoa ny ministera isan-tokony sy ny olom-pirenena rehetra.

Jeux vidéo Dahalo : roa taona no namolavolana azy

0
Roa taona no faharetan’ny famolavolana ny Jeux Dahalo izay novokarin’ny Lomay ary mpanam-pahaizana Malagasy miisa 15 no niara-nisalahy tamin’ny fanatanterahana izany. Ny dingana nolalovana hatramin’ny fahavitany no hotanterina aminao anatin’ity fanadihadiana ity.

Fitiliana ny VIH Sida : efa mihamaro

0
Miha mivoatra ny faharisihin’ny malagasy manao fitiliana ny VIH Sida. Mbola betsaka anefa ny ezaka mila atao raha ny fanazavana . Isany sakana goavana eto Madagasikara raha ny fanazavana ny fanilikilihana ataon’ny fiarahamonina.