Archives quotidiennes: 7 décembre 2019

Fiantsonan’ny fiara : isan’ny fototra mampitohana ny fifamoivoizana

0
Ny toerana misy ireo fiantsonan’ny fiara na ny « parking » no isan’ny fototra iray mahatonga ny fitohanan’ny fifamoivoizana maharitra ora maro eto Antananarivo renivohitra, hoy ny eo anivon’ny polisim-pirenena. Efa nisy ny antso natao tamin’ny kaominina Antananarivo renivohitra handinihina izany, saingy hatreto, tsy nisy ny fandraisan’andraikitra.

Fitakiana ireo Nosy Malagasy : mitaky firaisankinan’ny samy Malagasy

0
Hotanterahina ny 9 hatramin’ny 11 desambra ho avy izao eny amin’ny CCI ivato ny fihaonambem-pirenena hanangonan-kevitra mahakasika ny fitakiana ireo nosy malagasy aty amin’ny ranomasimbe Indiana. Hasaina araka izany ny malagasy tsy vakivolo ho tonga eny an-toerana ho an’ny tombontsoa ambonin’ny firenena.

RABEHAJA Mathieu : namokatra ny jeux vidéo « Dahalo »

0
Ny fahaizana mifandray amin’ny manodidina, ny filofosana amin’ny fanatratrarana ny tanjona napetraka, ny fikarohana, ireo no isan’ny antoky ny fahombiazan’i RABEHAJA Mathieu, tanora malagasy, namokatraka ny jeux vidéo « Dahalo ». Ny tenany izay nanaiky hizara ny lalam-piainany ho an’ny tanora Malagasy.

Famatsiam-bola avy amin’ny AFD : tsy misy ifandraisany amin’ny fitakiana ny Iles-Eparse

0
Nohamafisin'ny masoivohon'ny La Frantsa monina sy miasa eto Madagasikara fa fiaraha-miasa efa nisy hatramin'izay ny fanampian'ny La Frantsa an'i Madagasikara ary tsy misy ifandraisany amin'ny fitakintsika ny Iles-Eparse ireo fanampiana izay ataon'izy ireo.