Archives quotidiennes: 9 décembre 2019

Edito du 7 dec 19

0
Tany manadala ny demokrasia i Madagasikara. Midika izany fa malalaka ny fanehoan-kevitra. Fanehoan-kevitra malalaka izay midika fa tsy fahafahana hanompana olona na hitenenan-dratsy olona ary indrindra tsy hanakorontanana ny fiaraha-monina.

Belna : nivadika ho cyclone tropical ny maraina teo

0
Vaovaon’ny toetr’andro, nivadika ho cyclone tropical ny maraina teo i Belna. Any amin’ny 300 km avaratr’andrefan’Antsiranana no misy azy io hariva io raha ny tatitra azo avy amin’ny sampana mpamantatra ny toetrandro.

07 Desambra 1908 : nivoaka ny didim-panjakana nanokatra ny lalam-by Antananarivo -Brickaville

0
Ny didim-panjakana nanokatra ny lalam-by mampitohy an'Antananarivo - Brickaville indray no ho resahana aminao voalohany ato anatin’ny zana-pandaharana NY LASA eto amin’ny fampahalalam-baovaon’ny KOLO TV. Ny mikasika ireo fepetra harahina raha te hampiasa main d'oeuvre pénale tao amin'ny fonjan'ny Mahajanga kosa no fampatsiahivana ny LASA faharoa.

Fandriampahalemana : hamafisina ny fiarahamiasan’ny vahoaka sy ny tafika malagasy

0
Mbola tsy tafapetraka ny fandriampahalemana amin’ny faritra maro eto Madagasikara. Isany lesoka ny tsy fandraisan’andraikitry ny mpitandro ny filaminanana eny ifotony. Ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana arak’izany no nisongadina nandritra ny fanombohan’ny atrikasa ho fanatsarana ny fandriampahalemana eto Madagasikara, izay notanterahana tany amin’ny faritr’ITASY.