samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 11 décembre 2019

Code de la communication investigation

0
Notsipahin'ny solombavambahoaka 31 teo anivon'ny antenimierampirenena ny andininy faha-7 ao amin’ny lalàna mifehy ny serasera miresaka ny fahafahan'ny mpanao gazety manao fanadihadiana lalina na ny « Investigation » nandritra ny fandanina ity lalàna ity teny anivon'ny Antenimierampirenena androany. Mampametra-panontaniana ny maro ihany ankilany fa ny mpanao gazety teo aloha lasa solombavambahoaka ihany no lohalaharana nitsipaka izany.

Code de la communication

0
Nolanian'ny solombavambahoaka teny anivon'ny antenimieram-pirenena ny lalàna mifehy ny fifandraisana sy ny serasera na ny Code de la Communication izay niadian'ny mpanao gazety hatrizay. Hitondra fiovana goavana amin'ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara ny fahalanian'izany indrindra fa ho an'ny fahalalahana ho an'ireo mpanao gazety manatanteraka ny asany.

Qg Tim

0
Taorian’ireo tsikera maro nataon’ny kandida Ben’ny Tanàna eto Antananarivo renivohitra avy amin’ny Antoko TIM mahakasika ny zotram-pifidianana farany teo, maro ny fitoriana nalefan’izy ireo eny anivon’ny fitsarana mahafe raha ny fanazavana.

SECES

0
Nifandona ny samy mpianatra tao amin’ny onivesiten’i Fianarantsoa ny maraina teo vokatry ny tsy fitoviam-pijery, maro tamin’izany ny fitaovana simba. Ankoatra izay, ho an’ny eto Antananarivo, ny ampahany maro amin’ny fitakian’ny SECES Antananarivo no efa novalian’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan ‘ny minisiteran’ny fampianarana ambony raha ny fanadihadiana natao.

Dinika Nosy Malagasy

0
Tsy maintsy ho tratra ny tanjona, dia ny famerenana ireo Nosy Malagasy ho an’i Madagasikara, hoy ny filohan’ny Repoblika nandritra ny lahateny nataony nandritra ny famaranana ny Dinika Nosy Malagasy teny amin’ny CCI Ivato androany. Hiroso amin’ny dingana manaraka isika dia ny fitondrana ireo hevitra tapaka eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena.