Archives quotidiennes: 12 décembre 2019

Antenimierampirenena – MAHTP

0
Lany teo anivon'ny Antenimierampirenena teny amin'ny lapan'ny Tsimbazaza nandritra ny fivoriana azon'ny be sy ny maro natrehina androany ny volavolan-dalàna hamatsiam-bola ny fanamboarana ny Tetezan'i Mangoky. Mitotaly 64.28 Tapitrisa dolara na 241 Lavitrisa Ariary ny vola hanatanterahana ny fanamboarana izay hitera-bokatsoa maro ho an'ny Vahoaka.

Réaction RATSIRAKA

0
Nanamafy ny voalazan’ny filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ny filoha teo Aloha Didier RATSIRAKA ary nilaza fa tsy nisy nanampy tamin’ny fitakiana ireo Nosy Malagasy. Nilaza ihany koa ny filoha teo aloha fa zava-dehibe amin’ny fitakiana ireo nosy ireo ny fiaraha-mientan’ny Malagasy rehetra.

Article -7 Code de la communication

0
Hisy fiantraikany lehibe amin'ny zo fototry ny olompirenena amin'ny fahazahoam-baovao maro lafy ny fitsipahan'ny Solombavambahoaka ny andinina faha-7 amin’ny lalàna mifehy ny serasera miresaka ny fahafahan'ny mpanao gazety mamoaka vaovao miafina.

Claudine RAZAIMAMONJY

0
10 taona asa an-terivozona no sazy navoakan’ny Pac na ny Pôle anti-Corruption omaly an’I RAZAIMAMONJY Claudine, mpanolontsain’ny Filoha teo aloha RAJAONARIMAMPIANINA Hery tamina raharahana fandikodinam-bolam-panjakana sy kolikoly tao anatin’ny raharaha Ambohimahamasina, Distrikan’Ambalavao. Olona 4 voarohirohy niaraka taminy tamin’ity raharaha ity ihany koa no namoahana didy fanamelohana 10 taona asa an-terivozona.