Archives quotidiennes: 13 décembre 2019

CIPRES

0
Mila rafitra vaovao i Afrika hampitomboana ny mpiasa misitraka ny fiahiana ara-tsosialy. Io no nivoitra nandritra ny filankevitry ny minisitra faha-29 ho an’ireo firenena mpikambana eo anivon’ny CIPRES izay notanterahina teto Madagasikara nandritra ny 3 andro. Fotoana izay nifanakalozan’ireo firenena miisa 17 traikefa hampivoarana ny sehatry ny asa eto Afrika.

Fantotofana tany Andohjatapenaka

0
Nogiazin’ny fanjakana ary naato ny fanotofana tany eo Andohatapenaka. Ny tsy fananan’ny tompon’ny tany taratasy fahazahoan-dalana manototra no antony izany. Misy ny sazy tsy maintsy hampiharina raha ny fanazavana teo anivon’ny APIPA.

Karatany

0
Nahomby ny hetsika andrana amin’ny fanovana ny kadasitra ho karatany tamina fokontany 3 tao amin’ny kaominina Ampanotokana, Distrika Ambohidratrimo. Notontosaina nanomboka androany ny fizarana izany. Manodidina ny 4 000 no hisitraka karatany amin’ny alalan’ity hetsika ity. Etsy ankilany, notokanana androany ihany koa ny birao birao Ifotony Fananan-tany Ampanotokana.

Ministère justice

0
Ahiana ny hisian’ny Vide intsitutionnel eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana ato ho ato, hoy ny minisitra tomponandraikitra. Antony, handeha hisotro ronono avokoa ny 2/3 ny mpitsara eo anivon’ny cours Suprême. Ny lalàna mamaha ny olana anefa anaovan’ireo Solombavambahoaka “Chantage” raha ny fanazavana hatrany.

MPTDN

0
Eo amin’ny tontolon’ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra. Nomarihina androany ny faha 25 taona nidiran’ny aterineto teto Madagasikara. Tsy mbola ny Malagasy rehetra anefa no misitraka izany fa ny ampahany ihany. Teboka maro ny mahatonga izany, fa isany goavana ny fahalafosan’ny sarany eto amintsika.