vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 18 décembre 2019

Fanapoizinana ara-tsakafo teny Andravoahany : miandry ny valin’ny fitiliana

0
Taorian’ny fanapoizinana ara-tsakafo nitranga omaly teo anivon’ny sekoly iray teo Andravoahangy, efa mandeha ny fitiliana ny menaka sy ny lafarinina nampiasaina nanaovana ilay mofo sakay. Miandry ny valin’ny fitiliana vao tena ho fantatra ny nahatonga ilay fanampoizinana ara-tsakafo, raha ny fanazavana. Mila mailo ny rehetra raha ny nambaran’ny mpitsabo mba tsy ho voan’izay fanapoizinana ara-tsakafo iza , indrindra amin’izao andro mafana sy ankatoky ny fety izao.

Banky iraisam-pirenena : hifanohana amin’ny fanatsarana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany

0
Vonona ny hifanohana amin’i Madagasikara amin’ny fanatsarana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ny Banky iraisam-pirenena. Io no nivoitra nandritra ny dinika nifanaovan’ny talen’ny Banky Iraisam-pirenena monina eto Madagasikara sy ny minisitry tomponandraikitra. Voaresaka manokana ny hanatsarana ny lalàna hifehy ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany sy ny fitantanana mangarahara.

Kara-tany : miisa 2 tapitrisa no ho zaraina

0
Tsy maintsy ho tratrarina ny tanjona amin’ny fizarana kara-tany manerana an’I Madagasikara. Efa nisy ampahany tratra tamin’ny alalan’ny tetikasa ARSF (Appui à la Réforme et Sécurisation Foncière. Etsy ankilany, mandritry ny 4 taona, miisa 4 tapitrisa ny kara-tany ho zaraina manerana an’i Madagasikara.

Ankatso : nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomaso

0
Nanatanteraka fihetsiketsehana ho fitakiana ny hitohizan'ny fianarana sy ny handoavana ny vatsim-pianaran'izy ireo ny mpianatra teny anivon'ny oniversitian'Antananarivo tamin'ity androany ity. Ankilany kosa, niara-nivory tamin'ireo mpampianatra mivondrona eo anivon'ny SECES ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa entina hitadiavam-baha olana amin'ny famaliana ny fitakian'izy ireo.

Air Madagascar : tsy nitondra vokany ny fiarahany tamin’ny Air Austral

0
Tao anatin’ny 2 taona, tafiakatra 36 tapitrisa dolara na manodidina ny 132 miliara ariary ny trosan’i Air Madagasikara. Ny Alahady teo nametra-pialana ny tale jeneralin’ny Air Madagascar. Manjavozavo tanteraka ny tena zava-misy marina eo anivon’ity kaompania nasionaly ity.