vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 20 décembre 2019

Fandaharan’asa « PACE » : nahazo famatsiam-bola manodidina ny 14 tapitrisa dolara

0
Nahazo famatsiam-bola manodidina ny 14 tapitrisa dolara avy amin’ny BAD ny tetikasa PACE na ny PROGRAMME D’APPUI A LA COMPETITIVITE ECONOMIQUE. Tanjona ny fanatsarana ny lafiny toekarena amin’ny ankapobeny. Isany hojerena akaiky ny lafiny fampiasam-bola, ny sehatry ny famokarana herinaratra, ny fitatera sy ny fanodinam-bokatra eto Madagasikara.

Noël pour tous : hetsika fanaon’ny Kolo TV/FM isan-taona ho an’ireo fianakaviana sahirana

0
Tontosa alina ny Noël pour tous, izay hetsika iray hitsimbinana ireo fianakaviana sahirana, tsy manan-kialofana eto an-drenivohitra. Tamin’ity taona ity, olona maherin’ny 750 no nisitraka izany. Ny Noël pour tous, izay avy amin’ny tsipaipaikan’ny mpiasa eto amin’ny Kolo TV/FM.

LFI 2020 : nolaniana tamin’ny didy hitsivolana

0
Araka ny nanarahanao azy teo dia nolaniana nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny volavolan-dalàna hifehy ny teti-bola 2020. Ny voalazan’ny lalàmpanorenana araka ny andiany faha-29 no narahina, raha ny fanazavan’ny mpahay lalàna.

Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany : teboka 3 no hasiam-panavaozana

0
Tsy azo ihodivirana ny fanavaozana ny lalàna hifehezana ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Io raha fintinina ny fanehoan-kevitry ny praiminisitra lehiben’ny governemanta nandritra ny fanokafana ny SALON DES MINES androany. Teboka 3 no tsy maintsy havaozina anatin’izany ka tanjona ny hahazoan’ny rehetra tombony anatin’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany.

Fanapoizinana ara-tsakafo teny Andravoahangy : tsy fahatomombanan’ny fikarakarana no antony

0
Tsy fahatomombanana teo amin’ny lafiny fikarakarana sy tsy fahadiovana no nitarika ny fanapoizinana ara-tsakafo nahazo ireo mpianatra 64 teny Andravoahangy ny alatsinainy teo. Nakatona avy hatrany ary tsy afaka manohy izay asa famarotana hani-masaka izay ny toerana araka ny fanazana.