vendredi 19 avril 2024

Archives quotidiennes: 28 décembre 2019

Tetikasa fihariana 2019 : olona 2 722 no hahazo famatsiam-bola

0
Antontan-taratasy manodidina ny 17000 no voatazona ny taona 2019 ao anatin’ny tetikasan’ny Filohan’ny repoblika , Fihariana. Vola amina miliara maromaro arak’izany no hanantanterahana izany. Tsy hijanona anefa ny tetikasa fa hitohy ary efa misokatra ihany koa ny fisoratana anarana ho an’ny taona 2020.

Imerimanjaka Alasora : nisavorovoro noho ny ady faty

0
Nitrangana savorovoro vokatry ny fikasana hamoaka sy handoro razana efa voalevina ny mponina teny Imerimanjaka Alasora anikeo maraina. Nilamina ihany anefa izany rehefa tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana nandamina. Fantatra ihany koa fa efa eny anivon’ny fitsarana ity raharaha ity.

Lalana mampitohy an’i Mananasy sy Belavenina : nijery ny fahavitan’ny lalana ny MAHTP

0
Nidina nijery ifotony ny lalana namboarina mampitohy an’i Mananasy sy Belavenina, omaly ny tomponandraikitra eo anivon’ny ministeran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy. Nojerena tamin’izany ny fanarahan’ny lalana ny fenitra takiana. Namafisin’ireo nanao ny fitsidihana fa ilaina ary anjaran’ny tsirairay ny mikajy ny asa vita. Fanadihadiana.

SEFAFI : andraikitry ny rehetra ny miaro ny asa vita

0
Namoaka fanambarana omaly ny SEFAFI na ny Sehatra fanaraha-maso ny fianam-pirenena nankasitraka ny asa fanamboaran-dalana nataon’ny fitondram-panjakana teto Antananarivo Renivohitra sy ny manodinana, saingy nohamafisiny fa andraikitry ny rehetra ny miaro sy mikojakoja ny foto-drafitrasa vita toy ny lalana.