vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 30 décembre 2019

DASP : nanome fanampiana tao amin’ny fonjan’ Ankazondrano Fianarantsoa

0
Nisitraka fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana sy ny Antenimieran-pirenena ny teo anivon’ny fonjan’Ankazondrano Fianarantsoa. Kojakoja maro no nozaraina tamin’ireo voafonja vehivavy sy zaza tsy ampy taona.

Taom-pambolen-kazo 2020 : misokatra ny 19 Janoary 2020

0
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny famerenena an’I Madagasikara ho Nosy maitso, misokatra ny 19 Janoary 2020 izao ny taom-pambolen-kazo 2020 . Ho zaraina maimaimpoana ny zanak’hazo ambolena , misy fepetra maromaro kosa anefa mila arahin ‘ireo izay mikasa hamboly izany.

29 desambra 1896 : nivoaka didy nisian’ny « Province des Betsimisarakas de Tamatave »

0
Ny « Arrêté » manambara ny maha faritany mahaleotena honenan’ny Betsimisarakas an’i Tamatave indray no entina aminao ato anatin’ny zana-pandaharana NY LASA eto amin’ny fampahalalam-baovaon’ny KOLO TV. Ny taona 1 896 no nivoahan’io didy io raha hiverenana ny tantara. Araho ary.

“Rencontre Nationale Sportive 2020” : homena tosika manokana ny atleta mendrika

0
Hotanterahana any La Frantsa ny faha-11 hatramin’ny faha-13 ny volana aprily 2020 ny fihaonambe ara-panatanjahantena ny Malagasy monina any Eropa na ny « RENCONTRE NATIONALE SPORTIVE ». Hampiavaka ity andiany faha-45 ity ny fandraisana antanana manokana ireo tanora mendrika, hisandratra eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena.