Archives quotidiennes: 31 décembre 2019

Taona 2019 : maro ny ezaka mampiseho ny fanatanterahana ny velirano

0
Be ny zavabita saingy maro ny asa miandry. Izay raha fintinina ny fanehoan-kevitry ny mpandinika ny fiarahamonina mahakasika ny tomban’ezaky ny asan’ny fitondram-panjakana ny taona 2019. Raha isany sehatra nahitana fivoarana ny fandriampahalemana, ny fotodrafitrasa sy ny fifandraisana iraisam-pirenena, tokony ho jerena manokana ny sosialim-bahoaka hoy ny olompirenena nanaovana fanadihadiana.

Iavoloha : tsy hisy intsony ny « présentation des vœux »

0
Rahampitso hariva no hitafa amin’ny vahoaka Malagasy ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Andry RAJOELINA. Fotoana hanaovany tatitra ny taona 2019, ary koa ho fampahafantarany ny vina ho an’ny taona 2020. Ny filohan’ny repoblika izay nanamafy fa tsy hisy intsony ny presentation des voeux fanao eny Iavoloha isan-taona rehefa taona vaovao.

Langoustes : voasokajy ho « produits de luxe », 1 hetsy ariary ny 1 Kg

0
Mbola vitsy amin’ny malagasy no manjifa langoustes. Voasokajy ho « produit de luxe » izany raha ny fanazavan’ny mpivarotra ary aondrana any ivelany avokoa ny 95%n’ny vokatra. Miverina misokatra manomboka ny voalohan’ny taona ny fahafahana mitrandraka « langoustes » eto Madagasikara.

Fanamboaran-dalana : nitondra fanazavana ny MAHTP

0
Namaly ny fanambarana navoakan’ny SEFAFI na ny Sehatra ho Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena ny 26 desambra 2019 teo , ny teo anivon’ny ministeran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy androany. Nitondra fanamarihana sy fanazavana mikasika ny fanamboaran-dalana eto Madagasikaraizy ireo. Araho ary ny fanambarana.