Accueil 2019 décembre

Archives mensuelles: décembre 2019

VIH/Sida : latsaky ny 10% ny Malagasy manao fitiliana

0
Latsaky ny folo isan-jaton’ny Malagasy 39 000 heverina ho mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida no manao fitiliana ara-dalàna. Antony tsy hahatratrarana ilay tanjona 90-90-90 napetraky ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny ady amin’ny sida hamongorana ity areti-mandoza ity amin’ny taona 2030. Fanampim-panazavana.

Fikirakirana voka-pifidianana : efa mamarana ny eo anivon’ny CENI

0
Androany no tapitra ny 5 andro hikirakiran'ny SRMV ny voka-pifidianana kaominaly, efa tonga eny anivon'ny CENI Alarobia avokoa ny ankamaroan'ireo PV ankehitriny, andrasana anio alina kosa ny ambiny rehetra. Kandidà iray ihany hatreto no nangataka ny fampitahana ny vokatra, raha ny fanazavan'ny CENI androany.

1 desambra 1643 : nigadona tao Tolagnaro i Pronis

0
T@ taona 1637 dia nisy fikambanam-barotra frantsay niorina natao hoe compagnie de l'orient. Ny antony lehibe nanorenana azy dia ny haka an'i Madagasikara ho zanantany frantsay. Ny fifampivarotana @ mponina tompon-tany no fomba hanatratrarana ny tanjona ka 10 taona no fe-potoana nomena ity compagnie ity hanatanterahany izany.

Makis de Madagascar : nandresy tamin’isa 63 noho 03

0
Tontolon'ny fanatanjahantena taranja baolina lavalava,salan’isa mavesatra nandresin’i Maki de madagascar ny Black Stallions avy atsy Nigeria tetsy mahamasina ny hariva teo. Lalao izay tafiditra ao anatin’ny lalao voalohan’ny fifanitsanana amin'ny fiadiana ny ho tompondakan'i Afrika 2019 – 2020.