Accueil 2019

Archives annuelles: 2019

Governemanta NTSAY : nahavita ny fanambaram-pananana ireo minisitra

0
Nanatanteraka ny fanambarampanana teny anivon'ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana tamin'ity androany ity ireo mpikambana eny anivon'ny governemanta notarihin'ny Praminisitra NTSAY Christian. Fanambaram-panana izay tsy maintsy atao ary didin'ny lalàna.

CEG Analamahitsy : mitaky fanadihadiana lalina sy fandraisana fepetra ny Tale

0
Mitaky ny hanokafan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena fanadihadiana lalina momba ny raharaha CEG Analamahitsy ny mpampianatra. Ankoatra ny famarotana antsokosoko ny tanin’ny sekoly, tsy araka ny fifanarahana ny CEG vaovao namindrana azy ireo hoy ny fanazavana. Nijery ny zava-nisy teny an-toerana ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena.

Antenimieram-pirenena : nomen’ireo solombavambahoka ny Filohampirenena ny fahefana

0
Nankatoavin'ireo solombavambahoaka androany ny volavolan-dalàna ho fanomezana fahefana ny filohampirenena raha toa ka tapitra ny 05 Febroary izao ny fepo-toam-piasan'izy ireo. Ankilany lany teny anivon'ity antenimiera ity ihany koa ny lalàna mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka izay averina amin'ny lalàna nampiasaina tamin'ny taona 2013.

Fiantsonana tsy ara-dalàna : tsy misy vahaolana azo tsapain-tanana avy amin’ny kaominina

0
Tsy manana vahaolana azo tsapain-tanana momba ny toeram-piantsonana na parking ny kaominina - Antananarivo. Tsy mifanaraka amin’ny filana ny fepetra noraisiny niaraka tamin’ny orinasa tsy miankina misahana izany hoy ireo mpampiasa lalana. Ny fanamafisana ny lalàna sy sazy ankilany no vahaolana naroson’ny teknisianina momba ny toeram-piantsonana.

Fifidianana solombavambahoaka : ho tontosaina ny 27 mey 2019 araka ny tetiandro navoakan’ny CENI

0
Ho tontosaina ny 27 mey izao ny fifidianana solombavambahoaka eto Madagasikara araka ny tetiandro navoakan’ny CENI taorian’ny fandefasan’ny goverenemanta taratasy nangataka ny sosokevitry ny vaoamierampirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana. Taterina aminao anatin’ity fanadihadiana ity ireo tetiandrom-pifidianana.

Ambatomaro : nisy nanangana tamboho ny lalam-be fampiasan’ny vahoaka.

0
Velona ny tabataba teo amin'ny mponina sy ilay milaza ho tompon'ny tany teny Ambatomaro ny maraina teo. Antony, nisy nanangana tamboho ny lalam-be fampiasan'ny mponina hatrizay. Tsy rariny ary tsy ekena ny tranga tahaka izao hoy ireo mponina izay miantso ny tomponandraikitra hijery ifotony ny tena zava-misy marina.

Ampanihy : miakatra ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo

0
Lafim-baovao ara-tsosialy. Miaina ao anatin'ny tsy fanjarian-tsakafo ny vahoaka ao amin'ny Distrikan'Ampanihy vokatrin'ny tsy fahampian'ny rotsak'orana izay miteraka hain-tany. Tafakatra hatramin'ny 1500ar ny vary iray kapoaka.

Air Madagascar : mitaraina manoloana ny fomba fiasa ireo mpanjifa

0
Mitaraina ireo mpanjifa ny kaompaniam-pitaterana Air Madagasikara amin'ny fomba fiasan'ity orinasa ity. Toa ny mahazo ireo mpanjifa any Chine, tokony efa hiala ny Alahady teo, noho ny fahasimban'ny fiaramanidina hatramin'ny androany tsy fantatra ny fotoana hiaingana. Ny kaompania hafa, efa nahita vahaolana ho an'ireo mpanjifany.

Maridrefin’ny fahatsapana kolikoly 2018: isa 25/100 ho an’i Madagasikra, laharana 152 amin’ny firenena 180

0
25/100 no isa azon’i Madagasikara amin’ny maridrefy hitarafana ny kolikoly. Eo amin’ny laharana faha 152 amin’ny firenena 180 nanaovana fanadihadiana. Niroso laharana 3 isika oharina amin’ny tamin’ny taon-dasa izay nahazoana ny laharana faha153. Ezaka tokony hatevenina ny eo amin’ny lafiny lalàna, indrindra ny didy fampiharana hampahomby ny paikady iadiana amin’ny kolikoly.

Fanavaozana ny lisi-pifidianana : mila atevenina ny fanentanana eny anivon’ny fokontany

0
Marisarisa ny vahoaka eny anivon'ny fokontany amin'ny fanoratana na fanitsiana ny anarany amin'izao fotoam-panavaozana ny lisitry ny mpifidy izao. Samy manana ny tetika ampiasainy ny eny anivon'ny fokontany hamporisihana ny vahoaka amin'ity fanavaozana ny lisi-pifidianana ity. Ny fanentanana no tokony hamafisina raha ny fanadihadiana natao.