vendredi 29 mars 2024
Accueil 2019

Archives annuelles: 2019

Fanapoizinana ara-tsakafo teny Andravoahany : miandry ny valin’ny fitiliana

0
Taorian’ny fanapoizinana ara-tsakafo nitranga omaly teo anivon’ny sekoly iray teo Andravoahangy, efa mandeha ny fitiliana ny menaka sy ny lafarinina nampiasaina nanaovana ilay mofo sakay. Miandry ny valin’ny fitiliana vao tena ho fantatra ny nahatonga ilay fanampoizinana ara-tsakafo, raha ny fanazavana. Mila mailo ny rehetra raha ny nambaran’ny mpitsabo mba tsy ho voan’izay fanapoizinana ara-tsakafo iza , indrindra amin’izao andro mafana sy ankatoky ny fety izao.

Banky iraisam-pirenena : hifanohana amin’ny fanatsarana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany

0
Vonona ny hifanohana amin’i Madagasikara amin’ny fanatsarana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ny Banky iraisam-pirenena. Io no nivoitra nandritra ny dinika nifanaovan’ny talen’ny Banky Iraisam-pirenena monina eto Madagasikara sy ny minisitry tomponandraikitra. Voaresaka manokana ny hanatsarana ny lalàna hifehy ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany sy ny fitantanana mangarahara.

Kara-tany : miisa 2 tapitrisa no ho zaraina

0
Tsy maintsy ho tratrarina ny tanjona amin’ny fizarana kara-tany manerana an’I Madagasikara. Efa nisy ampahany tratra tamin’ny alalan’ny tetikasa ARSF (Appui à la Réforme et Sécurisation Foncière. Etsy ankilany, mandritry ny 4 taona, miisa 4 tapitrisa ny kara-tany ho zaraina manerana an’i Madagasikara.

Ankatso : nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomaso

0
Nanatanteraka fihetsiketsehana ho fitakiana ny hitohizan'ny fianarana sy ny handoavana ny vatsim-pianaran'izy ireo ny mpianatra teny anivon'ny oniversitian'Antananarivo tamin'ity androany ity. Ankilany kosa, niara-nivory tamin'ireo mpampianatra mivondrona eo anivon'ny SECES ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa entina hitadiavam-baha olana amin'ny famaliana ny fitakian'izy ireo.

Air Madagascar : tsy nitondra vokany ny fiarahany tamin’ny Air Austral

0
Tao anatin’ny 2 taona, tafiakatra 36 tapitrisa dolara na manodidina ny 132 miliara ariary ny trosan’i Air Madagasikara. Ny Alahady teo nametra-pialana ny tale jeneralin’ny Air Madagascar. Manjavozavo tanteraka ny tena zava-misy marina eo anivon’ity kaompania nasionaly ity.

Ho fiatrehana ny loza voajanahary : nisitraka 50 tapitrisa dolara i Madagasikara

0
Nanolotra vola mitentina 50 tapitrisa dolara, vola izay fanomezana fa tsy averina ho an’ny fanjakana Malagasy hiatrehana ny loza voajanahary ny Banky iraisam-pirenena androany tetsy amin’ny lapam-panjakana Ambohitsirohitra. Fotoana izay natrehan’ny Filohampirenena RAJOELINA Andry.

« Immunité Parlementaire » : tsy fiarovana ireo nandika lalàna

0
Toa zary fitaovana ialonkalofan’ireo parlementera sasany ankehitriny ny fananan'izy ireo ny Immunité Parlementaire. Tokony enjehina avy hatrany izy ireo raha toa ka misy porofo mazava ny fahadisoana nataony, raha ny fanazavan'ny mpahay lalàna nanaovana fanadihadiana tsy hisian'ny tsy maty manota ary ho eo ambanin'ny lalàna avokoa ny olompirenena rehetra.

Mofo sakay nahatonga fanapoizinana ara-tsakafo : nahatratra 64 ireo naiditra hopitaly

0
65 no tsy maintsy naiditra hopitaly, vokatry ny fanapiozinana ara-tsakafo faobe nitranga tao amin’ny fivarotana sakafo tamina sekoly iray tetsy Andravoahangy androany. 58 amin’ireo dia ankizy mpianatra avokoa, araka ny antontan’isa azo teny amin’ny HJRA. Nambaran’ny mpitsabo ny hariva teo, fa efa tsy misy hatahorana ny ain’ireo niaram-boina.

Fampandrosoana ny fotodrafitrasa : nisy ny fihaonana an-databatra boribory androany

0
Nampahafantatra ireo mpamatsy vola ny momba ny tetikasa sy lamin’asa eo anivon’ny ministeran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy mikasika ny fotodrafitrasa, tamin’ny alalan’ny fihaonana an-databatra boribory androany ny teo anivon’ny ministera tomponandraikitra. Namafisina tamin’izany fa isany ilaina amin’ny fampandrosoana ny fanohanan’ireo mpamatsy vola.

Vola tsy azo ampiasaina miparitaka : mila mailo ny rehetra

0
Amboaram-bola taratasy fanehoam-pahatsiarovana 2000 Ar sy 5000 Ar natonta ny taona 2008 no misy manaparitaka ankehitriny. Vola tsy azo ampiasaina amin’ny fifanakalozana raha ny tatitra navoakan’ny banky foiben’I Madagasikara. Mila mailo arak’izany ny rehetra manoloana izany. Taterina aminao ato anatin ‘ity fanadihadiana ity ary ny mikasika izany.