Accueil 2019

Archives annuelles: 2019

Fahatongavan’ny Papa Ray masina: nivoaka ny fandaharam-potoana

0
Hotanterina aminao ato anatin'ny fanadihadiana manaraka ity ny mikasika ny fandaharam-potoanan'ny papa Ray masina, mandritry ny fitsidihany an 'i Madagasikara.

Androm-paritry ny fahasalamana : nosokafana tao Antsirabe ny andiany faha-7

0
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao Antsirabe ny andiany faha-7 ny androm-paritry ny fahasalamana eo anivon’ny faritry Vakinankaratra. Hanomezan-danja manokana ny fahasalamam-bahoaka sy hanomezana tolotra maimai-mpoana hoan’ny vahoaka ao amin’ny faritry Vakinankaratra no tanjona.

Fanamboaran-dalana : hentitra ny fanaraha-maso nataon’ny fitondram-panjakana

0
Hovitaina mialohan’ny fahatongavan’ny fahavaratra ny ampahany betsaka amin’ny asa fanamboaran-dalana eto An-drenivohtra. Nidina nijery ifotony ireo fanamboaran-dalana maro ireo androany ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy. Nisy ny fepetra noraisina entina handrindrana ny asa.

« Calendrier Scolaire » : tokony haverina tamin’ny teo aloha

0
Naneho ny heviny ireo mpampiantra sy ireo ray aman-drenin'ny mpianatra eto anivon'ny faritra Analamanga androany nandritra ny fivorian'izy ireo fa manohana ny fanapahan-kevitra noraisin'ny ministera amin'ny hamerenana ny fandaharam-potoam-pampianarana toy ny teo aloha.

Fandraisana ny Papa : hotsirihana manokana ireo fiara hiakatra eto Antananarivo

0
Hisy fitsirihana manokana hatao ireo fiara rehetra hitondra ireo mpino Kristianina avy any amin'ny faritra hiakatra eto Antananarivo amin'ny fotoana fandraisana ny Papa François. Ho fisorohana ny loza mety hitranga eny an-dalana no tanjona amin'izany.

Ben’ny Tanàna : tokony halavaina ny fotoam-piasany

0
Ny firosoana amin'ny fanalavam-potoam-piasan'ny Ben'ny Tanàna manerana ny Nosy no fepetra tokony ho raisin'ny fanjakana, raha ny fanazavana mpahay lalàna nanaovana fanadihadiana, manoloana ny fahataperan'ny fotoam-piasan'ireo Ben'ny Tanàna manerana ny Nosy ny faha-22 Septambra ho avy izao.

Fahadiovan’ny tanàna : miverina mivangongo ny fako eto Antananarivo Renivohitra

0
Miverina mivangongo indray ny fako eto Antananarivo Renivohitra amin’izao fotoana izao. Maloto ny tanàna, manahy ny hisian'ny fiparitahana aretina vokatr'izany ny olona. Fanampim-panazavana.

Kaominina Antananarivo : tsy ampy ny fanadivoana ny lakan-drano sy ny tatatra

0
Ny Kaominina Antananarivo no tomponandraikitra amin'ny fanadiovana ireo Canal secondaire eto andrenivohitra. Tsy ampy anefa ny fanadiovana ny tatatra sy ny lakan-drano ka mahatonga ny faritra sy ny lalana maro ho feno rano mihandrona amin'izao fotoana.

Fifaninanana momba ny VBG : voalohany ny mpanao gazetin’ny kolo TV/FM

0
Ny mpanao gazetin’ny kolo tv/fm Mihanta Randrianaivo no nibata ny amboara tamin’ny fifaninanana catégorie audio-visuel, momba ny VBG na ny violence basées sur le Genre, tafiditra anatin’ny hetsika ho fiadiana ny herisetra ateraky ny fahasamihafana napetraky ny fiarahamonina. Ny mpianatra eo anivon’ny oniversitean’i Toliara kosa no nandresy tamin’ny fifaninana miompana amin’ny lalàna mikasika io lohahevitra io hatrany. Androany no nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika

Subvention Communale : napetraka ny « Fond National de Péréquation »

0
Ny fanomezan-danja ny fitsinjaram-pahefana no vina apetrakin'ny filohampirenena ankehitriny. Fanatsarana izay entina hampandrosoana an'i Madagasika. Mampiavaka ny famatsiana ara-bola hoan'ny kaominina amin'izao ny fisian'ny "Fond National de péréquation".