vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 2 janvier 2020

Fitsenana ny taona 2020 : nahitana taratra ny firaisan-kinan’ny Malagasy.

0
Na teo aza ny alim-pandihizana sy ny fiaraha-mifaly tamin'ireo toerana fanaovana fety isan-karazany eto Andrenivohitra, tsy latsa-danja ihany koa ny fiaraha-mifaly teo amin'ny samy fianakaviana, na mpiara-miasa, na mpiara-mianatra na mpiara-monina. Samy nifaly sy nifety ny rehetra teo ampiandrasana ny taona vaovao.

Antsirabe : nilamina ny fitsenana ny taona 2020

0
Tao anatin’ny filaminana tanteraka no nandraisan’ireo mponina teto Antsirabe ny taona vaovao 2020.

Fandraisana ny taona vaovao : maro ireo nisafidy ny trano fiangonana

0
Ankoatra ireo teny amin’ny toeram-pilanonana sy ny teny ankalamanjana, maro ihany koa ny nisafidy ny trano fiangonana hitsenana ny taona vaovao. Fisaorana sy fanakinana ny ho avy eo am-pelatanan’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny hira fiderana no nameno ny fotoana.

Fampiakarana karama : 13% ho an’ny mpiasam-panjakana

0
13% ny fampiakarana karama ho an'ny mpiasam-panjakana ary hihatra manomboka ity volana janoary 2020 ity izany hoy ny filohan’ny Repoblika nandritra ny kabary fiarahabana sy firariantsoa ho an’ny vahoaka Malagasy. Ankoatra izay, foto-drafitr’asam-pampandrosoana maro no efa vita, tsy vitsy ihany koa ireo efa natomboka ary be ireo miandry amin’ity taona vaovao ity hoy ny filoha, entina hampandrosoana an’i Madagasikara.

Ivato Aéroport : zandary iray nitifitra olona

0
Zandary 2 e Classe iray no nitifitra nahafaty olona teny Ivato Aéroport androany voalohan’ny taona 2020, tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany maraina. Ho raisina avy hatrany ny andraikitra hampiharana ny lalàna velona manoloana io tranga io hoy ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena.