vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 8 janvier 2020

Fifidianana ben’ny tanàna : hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny zoma izao ny vokatra

0
Rahampitso no havoaky ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ny valim-pitsarana ireo disadisa sy tsy fetezana nandritra ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolo-tsaina farany teo ho an’ny faritany 06 eto Madagasikara. Ny zoma ho avy izao kosa no hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny eny anivon’ny HCC raha ny lalàna. 

Olana “Panier garni” : misokatra ny fanadihadiana

0
Manoloana ny olana niseho teo anivon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, ny fampianarana teknika ary ny fampiofanana arak’asa, namoaka fanambarana ny eo anivon’ny governemanta. Nosokafana ny fanadihadiana hahafantarana ny tomponandraikitra voakasik’izany. 

Sandan’ny fanatsarana ny Kianja Barea : mirary raha mitaha amin’ireo kianja maro aty Afrika

0
Manomboka ny fanamboarana ny kianjan’i Mahamasina. Ao anatin’ny 18 volana no hanatanterahana ny asa ka ho vitaina mialohan’ny faha-26 ny volana jona izao ny tapany voalohany. Raha resabe voizina anatiny tambazotran-tserasera ankehitriny ny famatsiam-bolan’ny tetikasa sy ny saran’ny fanamboarana, nanamafy ny mpanolotsaina manokana misahana ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika fa mirary raha ampitahaina tamin’ny fananganana kianja tany amin’ireo firenen-kafa no hanaovana ny kianja Barea ary volan’ny fanjakana madio no hanatanterahana ny asa.

« Puce électronique » ho an’ny omby : tratra ny 50% ny tanjona napetraka

0
Ny 50% ny tanjona napetraka amin’ny fanapariahana ny  « Puce électronique » ho an’ny omby amin’izao fotoana izao no vita hoy ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny fametahana « boucle électronique » hasolo ny kavin’omby hiadiana amin’ny hosoka sy ny dahalo ambony latabatra.