samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 17 janvier 2020

EPP Andoharanofotsy : notokanana androany

0
Notokanana anio ny trano fianarana vaovao teny amin’ny EPP Andoharanofotsy taorian’ny ny asa fanatsarana izay niharahan’ny sehatra tsy miankina tamin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ary ny fampiofanana arak’asa. Maro ireo vokatra azo amin’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina ho fampandrosoana ny fanabeazana raha ny nambaran’ny Minisitra tomponandraikitra.

Fitaterana : “aérodrome” miisa 8 no nahazo fifanarahana hotantanan’ny sehatra tsy miankina

0
Tontosa androany ny fifanaovan-tsoniam-pitantanana ho an'ireo aérodrome miisa 8 eto Madagasikara. Sehatra tsy miankina no hitantana ireo aérodrome ireo ao anatin'ny 5 taona azo havaoina, izay tafiditra amin'ny fanatsarana ny fifamezivezena sy ny famoaham-bokatra avy amin'ny faritra amin'ny alalan'ny fiaramanidina.

Naina ANDRIANTSITOHAINA : nandray ny asa maha Ben’ny Tanàna azy.

0
Tontosa androany maraina ny famindram-pahefana teo amin'ny Ben'ny teo aloha sy ny Ben'ny Tanana vaovao Naina Andriantsitohaina izay hitantana indray ny kaominina an'Antananarivo Renivohitra. Ny tolakandro kosa no tontosa ny lanonana izay nametrahana azy tamin'ny fomba ofisialy. Hentitra ny ben'ny tanàna vaovao nandritra ny kabary izay nataony androany.

Tahirim-bolamena nasionaly : handray an-tanana hanangonana ny volamena ny fanjakana

0
Handray an-tanana amin’ny fanangonana ny volamena amin’ny fifanekem-piaraha-miasa amin’ny Banky foiben’i Madagasikara ny fanjakana Malagasy. Paik’ady vaovao ho entina manatsara ny toekarena Malagasy sy hisorohana ny gaboraraka eo amin’ny fitrandrahana sy ny fanondranana.