Archives quotidiennes: 18 janvier 2020

Air Madagascar : voatendry ho tale jeneraly mpisolo toerana i Rasetarinera Hanitra

0
Taorian’ny fivorian’ny filankevi-pitantanana , voatendry ho tale jeneraly mpisolo toerana ny kaompaniam-pitaterana Air madagascar i Rasetarinera Hanitra. Toerana izay tazominy eo am-piandrasana ny fanendrena ny tale jeneraly vaovao. Na teo aza ny fiarahamiasa amin’I Air Austral, mbola misedra olana ny kaompania nasionaly.

MAHTP : nitsidika ny fanamboarana ireo « logements » teny Ankadikely Ilafy

0
Nitsidika ny asa fanorenana ny logement miisa 100 izay tontosain'ny SEIMAD teny Ankadikely Ilafy ny ministeran'ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy androany. Tanjona ny hanatratrarana ny fanamby napetraky ny filoham-pirenena ny amin'ny fanomezana toeram-ponenana sahaza ny rehetra, hoy ny minisitra tompon'andraikitra.

Fikajiana ny fananana iombonana : andraikitry ny rehetra

0
Notanterahina androany ny « réception provisoire » ny lalana lot 4, izay misy ampahan-dalana miisa 3, izay mitôtaly 11,6 km. Voakasiky ny fanamboarana ny lalan’ny fiarakodia, ny lalan’ny mpandeha tongotra ary ireo fivoahan-drano.

Birao maharitra : manameloka ny fihetsika nataon’ny filohan’ny Antenimierandoholona

0
Manameloka ny fihetsika nataon’ny filohan’ny Antenimirandoholona, Rivo RAKOTOVAO, izay niverina fanindroany teny amin’ny HCC, ireo mpikambana eo anivon’ny birao maharitra. Tsy tokony hafangaro hoy izy ireo ny fitondrana andrim-panjakana sy ny fitondrana antoko Politika.