mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 20 janvier 2020

MAHTP sy MENETP : nandray anjara tamin’ny fambolen-kazo tany Ankazobe

0
Toy ireo ministera maro samihafa, nanatanteraka ny fambolen-kazo tany amin'ny distrikan'Ankazobe ihany koa ny ministeran'ny Fanajariana ny tany ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy sy ny ministeran'ny Fanabeazam-pirenena androany. Tonga maro ireo avy eo anivon'ny ministera nanatanteraka ny fambolen-kazo tamin'ity androany ity.

Taom-pambolen-kazo : nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany

0
Hazo miisa 2 hetsy sy 1 Tapitrisa no novolena tany amin’ny distrikan’Ankazobe androany. Fotoana nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2020 ary fotoana nanamarihana ihany koa ny faha herintaonan’ny fianianana nataon’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara teny Mahamasina. Madagasikara maitso no tanjona hoy ny filoha Andry RAJOELINA.

Etazonia : niarahaba an’i Madagasikara tamin’ny fanokafana ny taom-pambolen-kazo

0
Namoaka fanambarana niarahaba an’i Madagasikara tamin’ny fanokafana ny fotoam-pambolen-kazo i Etazonia, amin’ny alalan’ny Masoivoho monina sy miasa eto Madagasikara. Ny Governemanta amerikana, amin'ny alàlan'ny Sampandraharaha Amerikana ho an'ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID), dia mamatsy vola mitentina 57 tapitrisa dolara amin'ny alàlan'ny tetikasa samihafa hanampiana an'i Madagasikara hiaro ny zava-manan'aina sy ny ala tsy manam-paharoa ao aminy.  

Isa marin’ny mponina eto Madagasikara – RGPH : ho fantatra ny fiafaran’ny volana Febroary

0
Ho fantatra ny fiafaran’ny volana febroary izao ny isa marin’ny mponina eto Madagasikara hoy ny Tale jeneralin’ny INSTAT. Ny RGPH 3 izay nahazoana mari-drefy sy antotan’isa maro ilaina eo amin’ny fampandrosoana ny firenena.