vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 21 janvier 2020

Sampana mpamonjy voina : natsahatra amin’ny andraikiny ny « chef de corps »

0
Natsahatra avy hatrany tamin’ny asany ny chef de corps eo anivon’ny sampana mpamponjy voina Antananarivo renivohitra. Anton’izany ny tsy fahatomombanana sy ny tsy fandraisana andraikitra teo anivon’ny sampana mpamonjy voina manoloana ny fohitsahan’ny tany teny Avaradoha.

Asa fanaovan-gazety : hohatsaraina hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny mpitondra fanjakana

0
Nanamafy ny fahavononany hihaino, hifampiresaka, hanome vaovao ho an’ny mpanao gazety ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara nandritra ny fiarahabana tratry ny taona nataon’ny solotenan’ny mpanao gazety, ny tonian’ny fanoratana, ny talen’ny famoahana, ny mpitantana sy ny tompon’ny orinasa ny maraina teo teny Iavoloha.

Fandaharan’asa « Be miray » : hamafisina ny fanentanana momba ny fahasalamam-bahoaka

0
Fa nahazo fampitaovana mitentina 4.5 tapitrisa dolara avy amin’ny sampandraharaha amerikana misahana ny fampandrosoana hanatsarana ny sehatry ny fahasalamana i Madagasikara. Io no entin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka hamatsiana ny fandaharan’asa BE MIRAY, izay natomboka ara-pomba ofisialy tany Toamasina ny alakamisy lasa teo.

Fanovana governemanta : tsy maintsy hirosoana hoy ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara

0
Feno herintaona ny zoma ho avy izao ny nananganana ny governemanta izay tarihin’ny Praiminisitra Christian Ntsay. Tsy maintsy hiroso amin’ny fanovana ny governemanta isika hoy ny filohan’ny repoblika, aorian’ny fanaovana evaluation ho an’ireo minisitra tsirairay araka ny « contrat programme » efa napetraka mialoha.