vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 23 janvier 2020

Fampidiran-ketra : afaka misitraka antontam-baovao avy amin’ny firenena hafa i Madagasikara

0
Hamafisina ny fanaraha-maso ny vola miasa sy mihodina amin’ireo orinasa vaventy miasa eto Madagasikara, hahafahana manamafy ny fangaharahana, entina hanatsarana ny fampidiran-ketra eto amintsika. Afaka misitraka ireo antontam-baovao momba ny hetra avy amin’ireo firenena 150 mpikambana amin’ny Forum Mondial manoloana io i Madagasikara. Nanomboka androany ny atrikasa fanamafisana traikefa mikasika ny fangatahana io antonta-baovao , na ny information fiscale io.

Raharaham-pitsarana : miisa 15 ireo fitoriana minisitra teo aloha voarain’ny HCJ

0
Fitoriana minisitra teo aloha miisa 15 no voarain'ny teo anivon'ny HCJ ny taona 2019 lasa teo. Nalefan'ity rafi-pitsarana ity eny anivon'ny antenimieram-pirenena izany amin'izao fotoana izao. Miankina amin'ireo solombavambahoaka, mandritra ny fivoriana ara-potoana manaraka, no hahafahana manenjika ireo minisitra ireo raha ny fanazavan'ny mpahay lalàna.

Governemanta : miandry ny fiovana hisy ny mpanara-baovao

0
Andrasan'ny mpanara-baovao ankehitriny ny mety fisian'ny fiovana eo mpikambana anivon'ny governemanta. Ny fanatanterahan'izy ireo ny fifanarahan'asa izay natao tamin'ny filoha no hijerena ny asa vitan'izy ireo.

Hani-masaka amoron-dalana : mora vidy sy mahasintona olona maro.

0
Mbola mahasarika ny olona ny sakafo masaka eny amoron-dalana, indrindra amin’izao vanim-potoana avy orana, mampalaina ny hivoaka hiantsena sy hikarakara sakafo izao. Na tsy mandeha araka ny filazan’ireo mpivarotra aza ny sakafo lany avy koa izy ireny amin’ny ankapobeny.

Bas Mangoky : hanatratrarana ny fahaleovan-tena ara-tsaka ho an’i Madagasikara

0
Zava-dehibe amin'ny fanatratrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo ho an'ny Malagasy ny fanitarana ny toeram-pabolena any Bas Mangoky hoy ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono androany, tombontsoa maro no azon'ny vahoaka malagasy ao anatin'izany ary tsy homena ny vahiny velively ireo tany ireo.

Mahajanga : dibo-drano ny tanàna, tapaka ny lalam-pirenena faha-4

0
Vahoaka maro any amin'ny ditrikan'i Mahajanga faharoa no traboina amin'izao fotoana izao vokatry ny rotsakorana sy ny ranobe. Ankilany, tapaka tanteraka ny lalampirenena faha-4 mampitohy an'Antananarivo sy Mahajanga amin'izao fotoana izao. Niainga io harivao io manoloana izany ireo teknisiana, sy ireo fitaovana entina hanamboarana ireo lalana tapaka ireo.