vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 24 janvier 2020

Rocade : afa-po amin’ny fizotry ny asa ireo mpamatsy vola

0
50% n’ny fanamboarana ny lalana Rocade no vita amin’izao fotoana izao. Tonga nitsidika ny fizotry ny aza ny filoha lefitry ny BEI n ny Banque Européenne d’investissement, sy ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeana niaraka tamin’ny minisitry ny MAHTP androany. Miroso araky ny tokony ho izy ny asa rehetra raha ny fanazavana. Naneno ny fahavononany hanohana an’i Madagasikara amin’ny lafiny fampandrosoana ihany koa ireo mpamatsy vola nandritra io.

Jirama Water 3 : nahazo fampindramam-bola avy amin’ny Vondrona Eropeana

0
Tetibola manodidina ny 70 tapitrisa euros. Izay no entina manatsara ny famatsiana rano fisotro madio eto Antananarivo na ny Jirama Water 3 (three). Fiarahamiasa eo amin’ny vondrona eropeana sy ny governemanta malagasy. Tontosa androany tetsy amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny fanjakana Malagasy, ny vondrona eropeana sy ny banque européenne d’investissement.

IPC 2019 teto Madagasikara : nahazo isa 24 amin’ny 100

0
Nihemotra isa iray indray i Madagasikara amin’ny ady amin’ny kolikoly na ny indice de perception de la Corruption, raha ny tatitra navoakan’ny Transparency International androany. Isa 24 amin’ny 100 no azony raha toa 25 amin’ny 100 izany ny taon-dasa. Ankoatry ny tsy fahampian’ny fanarahan-dalàna eto amin’ny firenena, isany antony nampiemotra ihany koa ny tsy fahampian’ny fangaraharahana eo amin’ny lafiny ara-politika.

Fiangonana Anglikana : nodimandry i Mgr Rémi Joseph RABENIRINA

0
Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany omaly alarobia faha-22 janoary ny Arseveka Emérite Mgr RABENIRINA Rémi Joseph. Efa nitana andraikitra ambony maro teo anivon’ny fiangonana Anglikana ny tenany ary filohan’ny FFKM na ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara ny taona 2002.