vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 27 janvier 2020

RN4 – Anjiajia PK435+500 : nisokatra ny lalana vonjy maika

0
Nisokatra nanomboka androany folakandro ny lalana vonjimaika na ny DEVIATION amin’ny lalampirenena faha-4 eo amin’ny PK 435+500 ao Anjiajia, tapaka vokatry ny ora-nikija farany teo. Miverina ny fifamoivoizana any antoerana manoloana io. Miantso ny rehetra hanaja ny fandaminana sy ny toromarika ankilany ny minisitera tomponandraikitra.

CUA : tafapetraka ny lehiben’ny fibaikona ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina vaovao

0
Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy androany ny lehiben’ny fibaikona ny polisy monisipaly sy ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina vaovao eto Antananarivo renivohitra. Namafisin’ny ben’ny tanàna nandritra ny fandraisam-pitenenany fa tokony ho hentitra amin’ny fanatanterahany ny asany anatin’ny fanarahan-dalàna izy ireo, hamerenana ny hasin’ny tanànan’Antananarivo.

Fiakaran’ny rano : Ankizy sy zaza 78, fianakaviana 50 notolorana fanampiana

0
Niara-nientana tamin’ireo mpamponjy voina ny filohan’ny Repoblika omaly namonjy ireo fianakaviana maro traboina tany Mahajamba , Maevatanana ary Mitsinjo. Mitohy ny asa sy ny ezaka rehetra manerana ireo faritra nolalovan'ny andro ratsy raha ny fanazavana.

Voinam-pirenena : vonona hanome tanana an’i Madagasikara ny PNUD

0
Naneho ny fahavononany hanampy an’i MAdagasikara ny PNUD ora vitsy taorian’ny namoahan’ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara Twiter nanambara ny fahavoazana misy eto amintsika vokatry ny andro ratsy tamin’ity herinandro ity. Ny filoha izay nisaotra azy ireo ary nanentana ny rehetra hifanome tanana.

Drakaka : tsy mandray vokatra avy amin’ny firenena hafa i Chine nanomboka androany

0
Namoaka fanapahan-kevitra ny teo anivon’ny faditseranana Sinoa fa tsy afaka mandray vokatra hazan-drano avy any ivelany i Chine nanomboka androany, tafiditra amin’izany ny drakaka. Ampahany betsaka amin’ny drakaka ahondran’i Madagasikara anefa mankany Chine avokoa.

Fampananan’asa ny tanora : tokony hamafisina ny fampahafantarana ny tolotr’asa misy

0
Mbola ambony ny tahan’ny tsy fananan’asa ny tanora eto Madagasikara. Ankoatran’ny tsy fahampian’ny fahaizamano voalaza hatrizay, olana ny tsy fisian’ny magarahara tamin’ny fandraisana mpiasa hatrizay indrindra teny anivon’ny orinasa sy sampandraharam-panjakana. Nahitana fivoarana izany ankehitriny indrindra taorian’ny fanamafisan’ny fitondram-panjakana ny ady amin’ny kolikoly.

Fanodikodinam-bola tao amin’ny orinasa Kraoma : olona 4 naiditra am-ponja vonjimaika

0
Tohin’ny raharaha fanodikodinam-bola teo anivon’ny orinasa Kraomita malagasy, naiditra amponja vonjimaika eny Antanimora ny tale jeneralin’ny orinasa kraoma, reheva avy andalo fampanoavana tetsy amin’ny PAC na ny Pole Anti-corruption omaly. Mpiasa 2 sy mpividy kraoma 1 ihany koa no voasaringotra niaraka aminy amin’izany.