Archives quotidiennes: 29 janvier 2020

Jery todiky ny fifidianana : nilamina na teo aza ny fahasarotana niainana

0
Nilamina isika na teo aza ny fahasarotana niainana nandritra ny fifidianana filoham-pirenena, solombavambahoaka, ben’ny tanàna sy mpanolotsaina farany teo hoy ny filohan’ny CENI androany. Ny fanavaozana sy ny fanatsarana ny lisi-pifidianana no tokony hatao vaindohan-draharaha raha ny fanazavana hatrany.

BNGRC : hotsinjaraina araka ny fenitra napetraky ny « OMS » ny tolo-tanana

0
Mitombo hatrany ireo mandray anjara amin’ny tolo-tanana hanampiana ireo traboina manerana an’i Madagasikara vokatry ny fiakaran’ny rano farany teo. Tafiakatra 11 taonina sy 700 kilao ohatra hatreto ny vary voahangona. Namafisin’ny teo anivon’ny BNGRC fa hotsinjarana araka ny fenitra napetraky ny sampandraharaha iraisampirenena momba ny fahasalamana ny entana voahangona.

HCC : tokony hiroso amin’ny fifidianana any faritra isika

0
Tokony hiroso amin’ny fifidianana ny any amin’ny faritra isika, hahafahana mametraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy, hoy ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana androany. Na izany aza tokony ho mafy orina sy mari-pototra tsara ny kaominina tsirairay avy hahafahana manatanteraka izany.

Fivorian’ny « Internationale Démocrate Centriste » : nandray anjara ny Antoko Malagasy Miara-Miainga

0
Notanterahina tany Indonésie ny 22 hatramin’ny faha 25 ny volana Janoary lasa teo ny fivorian’ny mpikambana eo anivon’ny « Internationale Démocrate Centriste ». Nandray anjara ary nandefa solontena tamin’izany ny antoko Malagasy Miara-miainga izay mpikambana nanomboka ny taona 2018.

Fisorohana ny Coronavirus: mety hofoanana ny sidina avy any Asie

0
Ankoatry ny fitsirihina ara-pahasalamana atao eny amin’ny seranampiaramanidina , efa misy ny fivoriana ary mety hofoanana ao anatin’ny fotoana tsy voafetra ireo sidina rehetra avy any Asie miditra eto Madagasikara. Nanamafy ankilany ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka fa tsy misy tranga mampiahiahy eto amintsika ary efa vonona amin’izany ny mpitsabo sy ny hopitaly rehetra raha sanatria tonga eto Madagasikara izany.