Archives quotidiennes: 31 janvier 2020

Air Madagascar-Air Austral : nampiato ny sidina mankany Chine mandritry ny 1 volana

0
Miato avokoa ny sidina ataon’ny Air Madagascar Antananarivo-Guangzhou-Antananarivo, manomboka ny voalohan’ny volana febroary izao ka hatramin’ny 01 martsa 2020. Ho an’ny Air Austral, hiato manomboka amin’ny 8 febroary ka hatramin’ny 01 martsa ny sidina mankany Chine. Fanapahan-kevitra izay noraisaina manoloana ny fipariahan’ny valan’aretina « coronavirus ». Etsy ankilany, misy ny lamina napetraka ho an’ireo izay efa namandri-toerana mialoha, na ireo nividy tapakila. Fanadihadiana.

Lisi-pifidianana : ny 15 febroary izao no ho tonga eny anivon’ny fokontany

0
Ny boky fanisana ny mpifidy vaovao sy izay mpifidy nesorina no eny amin’ ireo fokotany amin’izao fotoana izao. Aorian’ny 14 febroary izay daty fananterana farany io boky io, vao azo ny lisi-pifidianana araka ny nambaran’ny sefo-pokontany iray. Andraikitry ny tsirairay no manara-maso hahafahana mametraka filaminana ary ho fiarovana ny zo ananan’ny isam-batan’olona hoy ny filohan’ny HCC manoloana izany.

Minisitra vaovao : vonona ny hiara-hientana amin’ny fampandrosoana ny firenena

0
Niroso tamin’ny famindram-pahefana avy hatrany ireo minisitra voakasika taorian’ny fanambarana ireo mpikamban’ny governemanta vaovao omaly. Isany nanatanterak’izany ny teo anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny, ny minisiteran’ny rano, ny fidiovana sy yn fahadiovana ary sy ny ary ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra.

Governemanta vaovao : maika ny fanarenana ny fahavoazana vokatry ny fiakaran’ny rano

0
Ny fahaizamanao sy ny fitiavan-tanindrazana no isany teboka goavana nadraisana ireo mpikambanan’ny governemanta vaovao. Hitohy hatrany arak’izany ny fanaovana tombana azy ireo hoy ny praiminisitra lehiben’ny governemanta androany. Isany asa maika andrasana ankilany ny fiaraha-mientana amin’ny fifehezana ny fampiakarana ny vidin’entana tsy ara-dalàna sy ny fahasimbana taorian’ny fahavoazana nahazo an’i Madagasikara.