Accueil 2020 janvier

Archives mensuelles: janvier 2020

Fahazoan-dalàna mamily biometrika tsy ara-dalàna : nanomboka androany ny fanoloana azy

0
Nanomboka androany ny fanoloana ny fahazoan-dalàna mamily biometrika hosoka na ny permis biométrique nivoaka nanomboka ny taona 2015. Ny miafara amin’ny « 0 » no hanombohana azy araka ny fandaminana sy ny tetiandro napetraka araka ny naoty nivoaka ny 21 janoary. Isany angatahana  amin’izany ny « Lettre d’engagement » ho fisorohana ny hosoka

Fiaraha-miasan’ny JIRAMA sy ny MAHTP : hisy fanoloana fantsona hatramin’ny 90km

0
Ho soloina ireo fantsona simba eto Antananarivo, araky ny tetikasan’ny Jirama. Hisy ny fiaraha-miasa matotra hiarahana amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy sy ny Jirama amin’ny fanatanterahana ny asa. Haverin’ny Jirama amin’ny laoniny avokoa ireo lavaka amin’ny lalana voakasika, ary hanaraka teknolojia vaovao ny fanatanterahana ny asa. Fanadihadiana.

Antananarivo renivohitra : nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana hanitsiana ny tetibola

0
Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra handinihana manokana ny tetibolana fanitsiana hampiasaina mandritra ny taona 2020.  Hezahina homanina amin’ity taona ity ihany koa ny tetibola ho an’ny taona manaraka hoy ny ben’ny tanàna izay nanamafy hatrany ny fahavononany hitondra fampivoarana. 

Madagasikara : mahazo vahana ny toetr’andro mahery vaika

0
Efa miseho eto Madagasikara avokoa ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro vokatry ny ataon’ny olombelona. Mahazo vahana ny toetr’andro mahery vaika raha ny fanazavana. Ankoatry ny fambolen-kazo izay vahaolana lavitr’ezaka, misy ihany koa ireo fihetsika madinika ahafahana mampihena ny fiantraikan’izany

RN4 – Anjiajia PK435+500 : nisokatra ny lalana vonjy maika

0
Nisokatra nanomboka androany folakandro ny lalana vonjimaika na ny DEVIATION amin’ny lalampirenena faha-4 eo amin’ny PK 435+500 ao Anjiajia, tapaka vokatry ny ora-nikija farany teo. Miverina ny fifamoivoizana any antoerana manoloana io. Miantso ny rehetra hanaja ny fandaminana sy ny toromarika ankilany ny minisitera tomponandraikitra.

CUA : tafapetraka ny lehiben’ny fibaikona ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina vaovao

0
Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy androany ny lehiben’ny fibaikona ny polisy monisipaly sy ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina vaovao eto Antananarivo renivohitra. Namafisin’ny ben’ny tanàna nandritra ny fandraisam-pitenenany fa tokony ho hentitra amin’ny fanatanterahany ny asany anatin’ny fanarahan-dalàna izy ireo, hamerenana ny hasin’ny tanànan’Antananarivo.

Fiakaran’ny rano : Ankizy sy zaza 78, fianakaviana 50 notolorana fanampiana

0
Niara-nientana tamin’ireo mpamponjy voina ny filohan’ny Repoblika omaly namonjy ireo fianakaviana maro traboina tany Mahajamba , Maevatanana ary Mitsinjo. Mitohy ny asa sy ny ezaka rehetra manerana ireo faritra nolalovan'ny andro ratsy raha ny fanazavana.

Voinam-pirenena : vonona hanome tanana an’i Madagasikara ny PNUD

0
Naneho ny fahavononany hanampy an’i MAdagasikara ny PNUD ora vitsy taorian’ny namoahan’ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara Twiter nanambara ny fahavoazana misy eto amintsika vokatry ny andro ratsy tamin’ity herinandro ity. Ny filoha izay nisaotra azy ireo ary nanentana ny rehetra hifanome tanana.

Drakaka : tsy mandray vokatra avy amin’ny firenena hafa i Chine nanomboka androany

0
Namoaka fanapahan-kevitra ny teo anivon’ny faditseranana Sinoa fa tsy afaka mandray vokatra hazan-drano avy any ivelany i Chine nanomboka androany, tafiditra amin’izany ny drakaka. Ampahany betsaka amin’ny drakaka ahondran’i Madagasikara anefa mankany Chine avokoa.

Fampananan’asa ny tanora : tokony hamafisina ny fampahafantarana ny tolotr’asa misy

0
Mbola ambony ny tahan’ny tsy fananan’asa ny tanora eto Madagasikara. Ankoatran’ny tsy fahampian’ny fahaizamano voalaza hatrizay, olana ny tsy fisian’ny magarahara tamin’ny fandraisana mpiasa hatrizay indrindra teny anivon’ny orinasa sy sampandraharam-panjakana. Nahitana fivoarana izany ankehitriny indrindra taorian’ny fanamafisan’ny fitondram-panjakana ny ady amin’ny kolikoly.