mercredi 24 avril 2024
Accueil 2020 février

Archives mensuelles: février 2020

Fivadiham-pitokisana : vola hatrany amin’ny 6 Miliara Ariary no voahodikodina

0
Teratany Malagasy iray no karohina fatatra amin’izao fotoana noho ny fanodikodinam-bola sy ny fivadiham-pitokisana teo amin’ny orinasa Indianina iray any Nosy Be Dzamandzar. Io teratany Malagasy io izay nisandoka ho tompon’ilay orinasa ary nandrahona ho faty ireo mpampiasa vola.

Antenimiera : hiatrika ny fivoriana tsy ara-potoana handinihana ireo didy hitsivolana

0
Hiatrika fivoriana tsy ara-potoana ireo Antenimiera roa tonta hanomboka ny faha 4 ny vola Martsa ho avy izao araka ny fiantsoana avy amin’ny fitondram-panjakana. Handinika sy handany ireo didy hitsivolana noraisin’ny filohampirenena nandritra ny fahabagan-toerana teo anivon’ny antenimierampirenena no anton’ity fivoriana ity.

Tetikasa PRODUIR : vahaolana hisorohana ny tondra-drano eto Antananarivo

0
Hosorohana amin’ny alalan’ny tetikasa PRODUIR tontosain’ny fitondram-panjakana ny tondra-drano eto Antananarivo ary harovana ireo faritra marefo. Mizotra araky ny tokony ho izy amin’izao fotoana ny asa amin’izany. Isan’izany ny fanesorana fotaka amin’ny Canal C3, fanatsarana ny fitantanana eo anivon’ny kaominina voakasika. Etsy ankilany, efa mandeha ihany koa ny dingana « expropriation » amin’ny fananan’olona voakasiky ny tetikasa.

Fitaterana : hentitra ny fanaraha-maso ny fifamezivezena eto Madagasikara

0
Manoloana ny fiparitahan’ny valan’aretina coronavirus amin’ireo firenena maro ankehitriny, nohamafisina sy nandraisana fepetra hentitra ny fifamezivezena avy ivelany miditra eto Madagasikara araky ny fanazavana nentin’ny minisitry ny fitaterana, ny fizahantany, ny famatarana ny toetr’andro nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety androany.

Fitsarana ara-bola 2018 – 2019 : kaominina maro no nahitana fanodikodinam-bola

0
Kaominina maro no nahitana fanodikodinana volam-panjakana raha ny tatitra nataon’ny fitsarana ara-bola ho an’ny taona 2018 – 2019. Isan’ny nahitana izany ny Kaominina Antananarivo renivohitra ary mbola mitohy ny fanadihadiana.

Fanatsarana ny fidiram-bolam-panjakana : hatsaraina ny fandoavan-ketra manerana ny Nosy

0
Havaozina ny fomba fiasa eo anivon’ny foibem-pitantanana ankapoben’ny hetra na ny DGI hanatsarana ny fampidiram-bola amin’ny fanjakana manomboka izao. Hanatanterahana izany, ny fanatsarana ny fomba fiasa hamparisika ny olona sy ny orinasa handoha hetra, fa tsy ny fampiakarana ny hetra aloha raha ny fanadihadiana natao.

Tetikasa Fihariana « Akoho nakà » : nomena tohana ireo 30 mianadahy voafantina

0
Isan’ny sehatra iray hatosika ao anatin’ny tetikasa Fihariana ny sehatry ny fiompiana akoho, tafiditra anatin’izany ireo akoho fakana nofo sy ny akoho mpanatody. Natolotry ny filohampirenena tamin’ny fomba ofisialy androany teny Iavoloha ny taratasim-bola ho fanampiana azy ireo ao anatin’ity tetikasa Akoho nakà. Hitohy mnerana ny nosy ny fanampiana raha ny nambaran’ireo tomponandraikitra.

ARIZAKA RABEKOTO Raoul : namoahan’ny BIANCO Avis de recherche

0
Manoloana ny raharaha Raoul Arizaka RABEKOTO, namoaka « Avis de Recherche » ny eo anivon’ny BIANCO ary miantso azy hitondra fanazavana eo anatrehan’ny fitsarana manoloana ny raharaha anenjehana azy. Ity farany izay mbola mampametra-panontaniana ny be sy ny maro ny misy azy amin’izao fotoana.

« Redressement fiscal » amin’ny orinasa : fomba fiasa ara-tsiantifika no nampiharina

0
Tsy misy kiantrano an-trano na faminganana orinasa sasany ny « Redressement fiscal » hoy ny tale jeneralin’ny hetra. Fomba fiasa ara-tsiantifika no hampiarina manomboka izay hentina hanatsarana ny tahan’ny fampidiran-ketra eto Madagasikara.

Saritany Madagasikara : nahitana fiovana lehibe ny lafin’ny tontolo iainana

0
Nahitana fiovany ny Saritany Madagasikara tato anatin’ny taona maromaro. Anisan’ny ahitana fiovana lehibe indrindra amin’izany ny eo amin’ny lafiny tontolo iainana, eo ihany koa ny fisian’ireo fotodrafitr’asa vaovao mahatonga ny fiovan’ny endrikin’ny Saritany.