Archives quotidiennes: 3 février 2020

Arnaud : tsy nahazo « Certificat de Transfert International », naverina nody

0
Lasa any amin’ny club n'i GF38 Grenoble D2 any France i Arnaud na Yaya izay mpilalao lohalaharana tao amin'i Cnaps nandritra ny taom-pilalaovana farany teo ary mpilalao ao amin’ny Barea A ihany koa. Tsy mety manao sonia ny mutation anefa ny CNAPS raha tsy mandoa ilay volabe ny GF38. Fihetsika izay miantefa ary mety hanimba ny ho avin’i Arnaud.

Fifidianana Ben’ny tanàna – Morafenobe : tsy manaiky ny hamerenana izany ireo mpifidy

0
Tsy manaiky ny hamerenana ny fifidianana any amin’ny kaominina Morafenobe ireo mpifidy any an-toerana. Antony tsy fantatra mazava ny antony hamerenana izany ary mampametra-panontaniana ihany koa ny peta-drindrina navoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana raha ny fanazavana.

Fiatrehana ny Coronavirus : vonona i Madagasikara hoy ny Praiminisitra

0
Vonona i Madagasikara amin’ny fiatrehana ny tsimokaretina Coronavirus raha sanatria ahitana tranga eto an-toerana hoy ny Praiminiistra Ntsay Christian tamin’ity androany ity teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Hamafisina ihany koa ny fepetra amin’ireo seranam-piaramanidina sy seranan-tsambo rehetra.

Valan-javaboary : harem-pirenena ary tosika ara-toekarena

0
Manana andraikitra lehibe amin’ny fampandrosoana ny sehatrin’ny ara-toekarena ireo valanjavaboary misy eto Madagasikara. Antony mahatonga izany ny fananan-tsika ireo harena voajanahary toy ny ala sy ireo karazana biby tsy hita afatsy eto amin-tsika raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra.